airtel

Any Ivelany

18-mars-2024

Midongy Atsimo

Zandary 3 maty navadiky ny lakana

Sample post image

Zandary miisa 3 no namoy ny ainy rehefa avy nanao fisafoana tao

18-mars-2024

Fasikendry Soabikany distrikan’i Midongy Atsimo ny takarivan’ny zoma lasa teo, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nitsaka tamin’ny lakana tamin’ny ranon’Itomampy izy ireo, saingy tratry ny tsio-drivotra mafy ka nivadika ny lakana. Vokany, natelin’ny rano niaraka tamin’ny basiny izy ireo. Ilay mpitondra lakana no hita voalohany, ka avotra rehefa novelomina, raha toa ka samy namoy ny ainy avokoa ireo mpitandro ny filaminana 3 mirahalahy, dia i Sefo Fidèle, Florent, ary Tris. Ny marainan’ny sabotsy mantsy vao hita ny razana niaraka tamin’ny basy teny an-tratran’izy ireo, raha ny vaovao avy tany an-toerana hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique