airtel

Any Ivelany

02-mars-2026

Mihotakotaka izao tontolo izao…

Nirefotra ny adin’i Israel-Etazonia amin’i Iran

Sample post image

Nirefotra indray ny ady ifanaovan’i Etazonia sy Israel

02-mars-2026

amin’i Iran any Moyen Orient nanomboka ny sabotsy 28 febroary, mikendry ny fotodrafitrasa stratejika sy ny rafitra nokleary. Ady ara-stratejika sy jeopolitika hatry ny ela. I Iran izay Foibe sy fototra nipoiran’ny Empire Perse tany amin’ny 550 taona talohan’i Jesoa Kristy. Nandrafitra an’io ry i Irak anisan’ny faritra Mesopotamia, renivohitra Babylon no lasa iray amin’ireo foibe, Syrie, Afghanistan, Pakistan, Turquie,… Irak efa potiky ny Amerikanina, Syrie efa rava, Turquie nipetraka,… dia io indray i Iran. Nosokajian’ny Amerikanina sy ny Israelianina ho ambana na « menace » goavana ho azy, indrindra eo amin’ny tetikasa nokleary i Iran izay efa nandrahona ny hamafa an’i Israel eo amin’ny sarin’izao tontolo izao, nandrahona sy nampiomana fa hamely sy handrava ireo toby Amerikanina any Moyen Orient, nosokajiana ho mpamatsy fitaovam-piadiana ny Hezbollah sy Hamas,... Niantso ny vahoaka iraniana hanongana ny fitondrana Iranianina ny Ny Praiminisitra Benyamin Nétanyahou, ka nanohana an’io antso io ny filoha amerikanina Donald Trump.

FANDRAHONANA MAHERY VAIKA, FAHAFATESAN’NY FILOHA FARANTAMPONY IRANIANINA
Niditra tamin’ny fifamaliana daroka baomba, maherin’ny 200 no maty tamin’ireo daroka baomba izay namely ny roa ampahatelon’ny faritany ao Iran, indrindra fa ao Téhéran. Namaly haingana tamin’ny alalan’ny balafomanga sy drôna ny Iranianina, ary nanambara fa hanatratra sy handrava ireo toby stratejikan’ny Amerikanina manerana an’i Moyen Orient. Efa voamarina ny fanafihana tamin’ny toby miaramila amerikana tao Bahrain, Qatar, Emirà Arabo Mitambatra, ary Koweit, ary nisy tatitra momba ny fipoahana akaikin’ny toby amerikana tao Riyadh, Arabia Saodita. Nampanantena “fanafihana mahery vaika indrindra amin’ny tantara” ho valifaty amin’i Israel sy Etazonia ny Gardiens de la Révolution », ary nilaza fa hanome “châtiment sévère et décisif” na sazy henjana. Fahafatesan’i Ali Khamenei 86 taona, Mpitarika farantampony na « Guide Suprême » no setriny rehefa fantatra fa hitarika fivoriana momba ny fandriampahalemana tao Téhéran ka maty niaraka taminy ny manamboninahitra miisa 40. Izy izay nitondra ny firenena nandritra ny 36 taona no setriny, niteraka 40 andro fisaonana nasionaly sy 7 andro tsy iasana. Nampiasa izany ho marika hanamafisana ny firaisankina anatiny sy ny fanoherana ny tandrefana ny Fanjakana Iranianiana. I Masoud Pezeshkian, filohan’i Iran amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ny lehiben’ny Fitsarana sy solontenan’ny Guardian Council, no hitarika ny firenena mandritra ny fotoana tetezamita taorian’ny nahafatesan’ny Guide Suprême Ali Khamenei. Ny Filoha Iranianiana izay nilaza fa ny adidy ny valifaty, ny maty solon’ny maty,… Natsangana ny saina mena sainan’ny valifaty na « drapeau de vengeance »

ADY ARA-NOKLEARY SY ARA-TEKNOLOJIA…
Mihamahery vaika ny ady, izay tsy jeopolitika sy stratejika fa fanehoana ny haitao ara-nokleary sy ara-teknolojika amin’ny fitaovam-piadiana, ka isan’ny netsehin’ny Amerikanina ny sambo mpiady goavana eran-tany Gerald R Ford. Ny fiaramanidina mpandaroka baomba B2 Spirit , anisan'ny matanjaka sy raitra indrindra mitentina 2 miliara dolara ny iray, izay misy vitsivitsy miantrana ao Diego Garcia , nosy aty amin'ny ranomasimbe indiana ary miandry toromarika dia miainga. Niharatsy ny fanafihana an’habakabakaba, nanao daroka baomba vaovao tamin’ny rafitra balistika sy fiarovan’i Iran ny Amerikanina, ary nisy fipoahana marobe tao Tehéran. Namely an’i Israel ny Iranianina, ka isan’ny nandefasany balalafomanga i Tel-Aviv, Jérusalem. Omaly, nanambara ny handefa « missiles hypersoniques » FATTAH-2 any amin’ireo Toby Amerikanina any Moyen Orient. Tao amin’ny Golfe Persika, nisy fanafihana sy fipoahana tao Dubai sy Abou Dhabi, ka isan’ny voa sy nisy faty olona tao amin’ny seranam-piaramanidina. Nanameloka ny fanafihana nataon’i Iran ho “lâches” ary nanome tsiny azy ho tompon’andraikitra amin’ny fiakaran’ny ady ireo Firenena any amin’ny Faritry ny Golfe. Nanameloka mafy ny fanafihana an’habakabaka nataon’i Etazonia sy Israely tamin’i Iran kosa ny Filoha Rosiana Vladimir Poutine, izay nilaza fa fandikana vono olona tsy misy henatra ny namonoana an’i Ali Khamenei, mifanohitra amin’ny lalàna iraisam-pirenena amin’ny firenena mahaleo tena mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana,... Tahaka izany ihany ny Firenena sinoa. Nanameloka ihany koa i Brésil, Venezuela,…. Ireo Firenena Eoropeanina toa an’i Frantsa, Alemaina, niampy an’i Turquie kosa niantso fitoniana sy vahaolana ara-diplomatika, ka sady tsy nanameloka no tsy nankasitraka. Nanambara kosa ny Firenena Mikambana fa loza mitatao amin’ny fandriampahalemana maneran-tany ny izao fiakaran’ny ady izao.

STRATEJIKA HO AN’NY TOEKARENA ETO AMBONIN’NY TANY
Stratejika amin’ny toe-draharaha eto ambonin’ny tany ity ady ity, fa ny isan’ny fiantraikany voalohany sy haingana indrindra dia ny fanakatonan’i Iran ny Strait of Hormuz, manohintohina ny famatsiana solika eran-tany satria mandalo eo ny 90%, mampiakatra vidiny izay mampikorontana ny toekarena iraisam-pirenena. Ny fanafihana miverina amin’ny toby amerikana sy ny daroka baomba amin’i Israel dia mampitombo ny risika ho lasa ady lehibe, mety hisintona an’i Rosia sy China hiditra an-tsehatra ankolaka. Ny fifandirana eo amin’i Iran, Etazonia ary Israel dia niditra amin’ny dingana vaovao sy mampidi-doza, miaraka amin’ny fahafatesan’ny mpitarika faratampony, daroka baomba mahafaty, fandrahonana amin’ny toby amerikana, ary fanafihana manerana ny Golfe. Ny lanjany dia tsy voafetra amin’ny faritra ihany fa manohintohina ny filaminana sy ny toekarena maneran-tany. Fotoana hahafahan’ny Firenena toa antsika mamolavola politika ara-toekarena mahomby sy tsy miankin-doha amin’ny Firenena vahiny, ka hanetsehana ny hery ara-toekarena sy ara-stratejika ao anatin’ny Firenena ihany koa anefa ny toe-draharaha tahaka izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Mila miomana isika eto Madagasikara, hoy Pr Joseph

Card image cap
05-mars-2026

Miitatra ny ady, manomboka henjana ny fiantraikany eran-tany

Card image cap