airtel

Any Ivelany

03-juin-2022

Any Ivelany

Minisitry ny jono “Ho hazavaina amin’ny antsipiriany ny raharaha Faradofay”

Sample post image

Nanome toromarika ny amin’ny hahafahana manatsara hatrany ny fiainan’ny tantsaha rehetra manerana an’I Madagasikara ny filohan’ny repoblika, hoy ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga,

03-juin-2022

Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Isany ny mpanjono, hoy izy. Herintaona mahery isika izao no tsy nanome alalana hanjono na “licence de pêche”, ankoatran’ny Makamba na “Crevette”. Tsy mety ary tsy rariny sy tsy marina raha miteny isika ankehitriny hoe tsy mijery ny mpanjono madinika ny fitondram-panjakana. Izahay dia mifandray foana amin’ireo mpanjono ireo. Hitanareo ireny fitetezam-paritra be dia be nataoko ireny. Ny tenako dia mbola mifandray foana amin’ireo fiarahamonim-pirenena miara-miasa amin’ny tontolon’ny jono. Ny rehetra dia mahita hoe misy zavatra miova izao. Tena mijery azy ireo ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fampianarana fiompiana trondro, fametrahana ny fitantanana rehetra mahomby mba hahafahantsika hampiakatra ny farim-piainan’ny mpanjono eto Madagasikara. Betsaka ireo tetikasa mbola ho atao atsy ho atsy. Minoa ahy ianareo fa hitombo sy hihatsara hatrany, indrindra, ny fiainan’ny mpanjono eto Madagasikara. Mikasika ny raharaha Taolagnaro dia milaza aminareo aho fa mbola hisy ny fotoana ahafahantsika miresaka ireny. Aza adino fa rano no nahatongavan’ireny olana rehetra ireny sy ao amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Mbola ho avy ny fotoana hanazavana amin’ny antsipiriany an’ireny fa ny zavatra mahafaly dia hoe miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ireo mpanjono any Faradofay ary efa misy ihany koa ireo fepetra rehetra noraisina mba hahafahantsika mitandro hatrany ny fahasalamam-bahoaka. Miezaka manatsara hatrany ny tontolon’ny fanjonoana any Faradofay isika matoa mandray fepetra, hoy hatrany ny minisitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique