airtel

Any Ivelany

18-mai-2022

Any Ivelany

MONDIAL 2022 ANY QATAR “TSY 28 ANDRO NO HANOVANAY NY FOMBANAY”

Sample post image

Hentitra ny fitondrana Qatari mikasika ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra na « Mondial 2022 » atao any Qatar.

18-mai-2022

Tsy 28 andro no hanovanay Mondial 2022 any Qatar “Tsy 28 andro no hanovanay ny fombanay” Entitra ny fitondrana Qatari mikasika ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra na « Mondial 2022 » atao any Qatar. Tsy 28 andro no hanovanay ny fombanay, hoy ny fanambaran’ny fitondrana ao Qatar, tamin’ny alalan’ny minisitry ny raharaham-bahiny ao an-toerana. Aza manandrana akory na dia ny manangana ireny saina maro loko na “arc en ciel” ireny aty fa any amin’ny firenena manaiky izany atao. Tsy mifanaraka amin’ny finoanay sy ny fombanay izany, hoy hatrany ny hafatra. Ny saina “arc en ciel” moa izay mariky ny fanekena ny fiarahan’ireo mitovy fananahana, raha tsiahivina.
KYLIAN MBAPPÉ
“VONONA HANDROMBAKA NY AMBOARA ERAN-TANY IZAHAY”
Nandritry ny tafa niarahany tamin’ny Qatar Airways tao amin’ny tambazotran-tserasera Instagram no nampahafantaran’ilay lohalaharan’ny ekipam-pirenena frantsain’ny baolina kitra, Kylian Mbappé, ny fahavononany sy hambom-pony sahady hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny baolina kitra atao any Qatar amin’ity taona ity. Nahafaly ahy, hoy izy, ny nianoka ny fahasambarana naha tompondaka eran-tany niaraka tamin’ny Les Bleus, 4 taona lasa izay. Efa tsy andry ihany koa ny hanombohana ity Qatar 2022 ity ary vonona handrombaka indray ny amboara eran-tany izahay, hoy hatrany ity lohalaharana frantsay ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique