airtel

Any Ivelany

17-févr-2025

NOSY MAORISY

Nosamborina noho ny raharaha famotsiambola ny praiminisitra teo aloha

Sample post image

Anisan'ny firenena tsy misangy amin'ny ady amin'ny kolikoly ny atsy amin'ny nosy Maorisy.

17-févr-2025

Nosamborina ny faran'ny herinandro teo ny praiminisitra teo aloha Pravind Jugnauth sy ramatoa vadiny noho ny raharaha famotsiam-bola.Naharitra ora 3 ny fisavana ny tranon'izy ireo ka tratra tao ny valizy miisa 4 feno vola vahiny (Dollar, Euro, Francs, Livre sterling, Rand, Dirham,...) niaraka tamina famataranandro lafo vidy sy tapakila avy amina Hôtely any ivelany ary antontan-taratasy mombana fivahinianana any ivelan'ny nosy Maorisy amin'ny anaran-dRamatoa Kobita Jugnauth, vadin'ity Praiminisitra Maorisianina teo aloha ity. Ity farany moa no lehiben'ny Fitantanam-bola ao amin'ny My Holidays Ltd, orinasa misehatra amin'ny fizahantany, miorina ao Pointe-aux-Canonniers, izay efa voasambotra niaraka tamin'i Josian Laval Deelawon, "Chief Executive Officer" eo anivon'io orinasa io. Ny Financial Crimes Commission (FCC) no miandraikitra ity fanadihadiana ity.


Ny taona 2017 no lasa praiminisitra i Pravind Jugnauth, nandimby an-drainy Aneerood Jugnauth. Mbola voatazona ho praiminisitra ihany izy ny taona 2019. Niongotra tamin'ny toerany izy ny taona 2024 rehefa resy tamin'ny fifidianana faobe ny vovonana politika nisy azy.
RTT

 

Dans la même rubrique