airtel

Any Ivelany

02-juin-2022

Any Ivelany

Notorian'i Dr Edmond Halentika indray i Ny Rado Rafalimanana ?

Sample post image

Notondroin’ny mpikaroka ara-pitsaboana nenti-paharazana Edmond Rakotomalala nahita ilay fanafody ED1 ho mpisoloky sy mpisandoka ny anarany sy ny voka-pikarohany i Ny Rado Rafalimanana fantatra amin’ny tontolon’ny

02-juin-2022

 politika sy ny fandraharahana. Anton’izany moa ny fanapariahany sary sy hafatra izay misy ny sariny miaraka amin’ny mpitsabo nenti-paharazana io, milaza hoe: “… Nampantena azy fa tsy maintsy misy laboratoara manaraka ny fenitra, ary tsy tokony hafindra toerana mihitsy izany fa tokony ho mijanona eto Imerin’Avaratra ho fampisehoana an’izao tontolo izao fa misy vokatra avy aty Fandriana Madagasikara. Tonga amin’ny dingana manaraka indray isika izao ary handrafitra ny c sehatra Pharmacologue isika. Miomana ianareo Malagasy mikirakira ny Huille Essentielle, raokandro,… Ny ED1 no anisany hoentintsika hanavotra an’i Madagasikara ». Nilaza ho gaga kosa i Edmond Rakotomalala, ary nilaza fa tsy momba olona manaraka politika ka amin’ny asako dia nataoko fanasoavana firenena, hoy izy. «Tsy misy miara-miasa amiko afatsy ny Fitondrana, lainga ny filazana fa efa misy fananganana laboratoara. Tsy manana namana na iza na iza aho ankoatra ny Fanjakana, izay tia ahy manantona ahy fa tsy manaparitaka ny sariko toy izao. Lainga sy fitaka sy fisolokiana, ary tsy ekeko ny fisolokiana. Tsy itambarako amin’ny hafa ary mbola amin’ny herim-pon’ny tenako manokana, mifanampy ny an’ny Fanjakana io. Vatatnenako samirery ny nisiki-ponitra fa tsy nanatona olona aho. Tsy natao ho fialonana ny an’ny hafa fa anjara biriky hifanampy ny an’ny Fanjakana sy ny an’ny mpikaroka hafa. Mpandainga sy mpisoloky izay olona milaza fa izaho no nanatona azy mba hiara-hiasa aminy”, hoy i Edmond Rakotomalala. Nitoroka tany amin’ny zandary mba hijery ny zava-misy moa ity mpikaroka ara-pitsaboana ity, ary ny zandarimaria no isan’ny nanaparitaka ny hafatra nataony. Nitondra fanazavana moa i Ny Rado Rafalimanana, ary naneho fa ny tanjoko sy ny orinasany hatrizay ka hatramin'izao dia ny hanampy sy hitondra ny mety hanatsarana ny vita Malagasy, ary izay ilay Block Chain Madagascar. “Tsy misy idiran`ny politika velively izay fa fanohanana samy fandraharahana feno. Eny, anisan`ny vokatra iray izay nahavonjy ny Malagasy ny ED1 ary ny anjara biriky tandrify nentiko sy mbola ho hentiko sy ny orinasako dia ny haha-lavorary izany…. Fehiny, Ny tanjontsika hatrany dia ny hifanampiana samy Malagasy sy indrindra hanandratra avo ny vokatra Malagasy ho reherehantsika Malagasy manerana an'izao tontolo izao, hoy ny ampaham-panazavany.
HALENTIKA I NY RADO RAFALIMANANA ?
Raha ny resaka mandeha, dia hopehana amin’ity raharaha ity indray i Ny Rado Rafalimanana. Efa nisy moa ny fihaonana teo aminy sy ny Filoha tany aloha, izay toa resaka fanatsarana ny D1 saingy tsy re intsony ny tohiny. Tsy vao izao no nisy fihaonana teo amin’i Ny Rado Rafalimanana sy Edmond Rakotomalala. Misy fifankahazoana matoa tonga amin’ny fiaraha-maka sary, saingy tany amin’ny fampiasana azy no nisy olana. Misy ifandraisan’ny Fanjakana izay hany tokana nambaran’Atoa Edmond Rakotomalala fa mpiara-miasa aminy ve izao ? I Ny Rado Rafalimanana izay mifanohi-kevitra ara-politika amin’ny mpitondra, vao haingana no nanakiana mafy ny ben’ny tanànan’Antananarivo.
Toky R
 

Dans la même rubrique