izay mbola mafampàna hatramin'izao, any Afrika Atsimo i Papa James, diaspora malagasy monina any an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray. Potika tanteraka ny "restaurant" na ny toeram-pisakafoana ivelomany. Izy no mihira, izany hoe manafàna ireo mpanjifa amin'ny alalan'ny kalokalo sy mozika, ary ny vadiny kosa no mpahandro, hoy ny fanazavana. Io 30 jona io ilay daty nomen'ireo afrikanina tatsimo mainty hoditra handroahana ireo afrikanina mainty hoditra hafa hody any aminy. Ireo tsy manan-taratasy na "clandestins" no voalaza fa lasibatra. Raha ry Papa James kosa nefa dia sarotra inoana ho ao anatin'izany satria efa am-polo taonany maro ihany izy ireo no nipetraka tany ary efa niverina matetika taty Madagasikara, izay tsy afaka ataona olona tsy manana taratasy. Tavela am-pitan-dranomasina ry Papa James, mpihira sy mpampandihy avy any Antsiranana, nalaza be tamin'ny andron'ny televizionina tsy miloko na "noir et blanc", sy ny ankohonany. Miverina indray, araka izany, ny fanavakavaham-bolokoditra ataon'ireo "zoulous" any an-toerana ankehitriny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija