any amin’ireo Firenena sasany izay manomboka manda ny endrika politikam-panjanahana vaovao ataon’ireo Firenena matanjaka. Nisy ny fanambarana nataon’ireo vondron’ny Firenena nozanahan’ny Anglisy na ny « Commonwealth » miisa 56 eo ny ny oktobra 2024 mitaky ny fanonerana ny Fanjanahan-tany, nanao izany ihany koa ny Vondrona Afrikanina ny febroary 2025 lasa teo, saingy tsy maharototra ireo Firenen-dehibe izay nanao ny fanjanahana toa ny Frantsay izay tany 84 no nanaovana izany, izay ny 18 lasa lafin-taniny.
NAMPISOKATRA NY MASON’I AFRIKA I PAUL KAGAME
Na izany aza, nitondra rivo-baovao tany Rwanda ny fijoroan’i Paul Kagame, izay nahavita nampiombona an’ity Firenena ity taorian’ny faharotehana noho ny ady an-trano 35 taona lasa. Nahavita nandà sy nitsipaka ny endrika politikam-panjanahana ka nahavita nitsimbadika tamina mpiara-miombon’antoka ara-politika, jeopolitika, toekarena,… Ity no Filoham-pirenena Afrikanina nitondra fampisaintsinana hoe : tsy rariny raha i Ukraine izay tsy misy mponina afatsy 41 tapitrisa no mamatsy ara-tsakafo an’i Afrika misy mponina 1,2 miliara, ka nametrahany politika ho an’ny famokarana sy fahavitan-tena ara-tsakafo.
MITONDRA RIVO-BAOVAO I IBRAHIM TRAORE
Rivo-baovao no entin’i Ibrahim Traoré ao Burkina Faso, izay misy endrika fanokafana ny mason’i Afrika fa manana ny harena sy otrik’arena ahafahany mandroso i Afrika, fa tsy tokony hatao fakana akora na « matière première » sy fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Roa taona nitondrany, nitombo ny harin-karenan'i Burkina Faso avy amin'ny 18,8 lavitrisa dolara ka lasa 22,1 lavitrisa dolara. Niakatra 280.000 taonina ny famokaram-bary ny taona 2022 ho 326.000 taonina ny taona 2024. Indostria goavana maro no nitsangana Hanao làlana 50 000km ary efa voavidy ny fitaovana,…
MITONDRA FIJERY VAOVAO AO GABON I BRICE OLIGUI NGUEMA
Any Gabon, voafidy ho Filoham-pirenena ao Gabon tamin'ny isam-bato ny Jeneraly Brice Oligui Nguema tamin’ny fifidianana natao ny 12 Aprily 2025. Nahasahy nandray fepetra hentitra mba hijerena ny fiainam-bahoaka, ka nofeheziny ny karama sy tombotsoan’ny mpiasam-panjakana ambony sy ny miaramila. “Nandritra ny 56 taona nitondran’ny fianakaviana Bongo, nomena karama ambony ny manamboninahitra nefa tsy nisy vokatra ho an’ny firenena. Izaho tsy hanaiky intsony izany,” hoy izy. Raha misy miaramila te hanao politika, dia tsy maintsy mametra-pialana tanteraka ao amin’ny tafika ary tsy mahazo tombontsoa intsony, izay natombony tamin’ny tenany. Voafetra ho fito taona indroa monja ny fe-potoam-piasan’ny Filoham-pirenena. Raha misy filoha manampahefana mitady hanova lalàmpanorenana, dia horaisin’ny tafika avy hatrany ny fahefana, ka ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika no mitondra vonjimaika ny firenena. Aiza ho aiza amin’izany ny aty Madagasikara ? Tambazana mafy ny manam-basy mba hiarovana seza sy hamoretana vahoaka…
Toky R