airtel

Any Ivelany

20-avril-2022

Any Ivelany

RAHARAHA UKRAINE HATAO FAHIRANO IREO MPANEFOEFO ROSIANINA

Sample post image

Miantso ny hanamafisana ny sazy mba hanaovana tsindry amin’i Russie hanatsahatra ny fanafihana an’i Ukraine ireo mpandraharaha ara-toekarena Tandrefana sy Amerikanina. Isan’ireny ilay Frantsay Thomas Piketty, Gabriel Zucman,

20-avril-2022

ilay Amerikanina Joseph Stiglitz izay efa nahazo ny “prix Nobel de la paix”,… Nandefa taratasy tany amin’ny Vondron’ireo Firenena 20 matanjaka indrindra nna G20 izy ireo, miantso ny hangejana ny volan’ireo “Oligarques” na mpanefoefo Rosianina izay mety afenina ivelany Russie. Isan’ireny i Roman Abramovitch tompon’ny klioba Anglisy Chelsea. Voalaza fa hatrany amin’ny 1000miliara dolara ny tombam-bidin’ny harenany any ivelan’i Russie. Misy amin’ireo mpandraharaha Rosianina matanjaka anefa no efa niova fandraharahana toy ny nakany Dubai, tao ny nanova ny volany ho “cryptomonnaies” ka mampiasa ny volany any amin’ny firenena izay tsy olana ny fipetrahany ao. Anio no hivory nny G20 ka andrasana izay mety ho fanapahan-kevitra.
KRIZIN-TSOLIKA ANY SRI LANKA
NIDINA AN-DALAMBE NY VAHOAKA
Olona iray no maty notifirin’ny polisy omaly tany Sri Lanka vokatry ny hetsi-bahoaka. Nidina an-dalambe mantsy ny olona manoloana ny tsy fisian’ny solika sy ny fidangan’ny vidiny. Nampiasa bala tena izy kosa ny Polisy mba nanapariahana ireo vahoaka nibahana ny arabe migodana na ny autoroute ao Rambukkana ao amin’ny faritra afovoan’I Sri Lanka. Ny krizin’ny valanaretina coronavirus no isan’ny ambara fa anton’ny krizy, saingy manitrikitra ny vahoaka fa ny fomba fitantanan’ny mpitondra tarihin’ny Frères Rajakapsa no isan’ny manampy trotraka nny olana. Andalana ho banky ropitra ny Fanjakana any an-toerana, hoy ny mpahay toekarena. Isan’ny mampiavaka ity firenena ity moa ny fizahantany satria tena mahasarika vahiny izy, saingy izao lozirin’ny krizy izao.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique