Nandefa lisitrana raim-pianakaviana miisa 13000 any amin'ireo firenena miisa 3 mpandray ny amboara erantany 2026 ny fitondrana any Argentine mba tsy hamela azy ireo hiditra ny sisin-taniny, raha ny fampitam-baovao voaray farany mikasika ity fetin'ny mpanjakan'ny fanatanjahantena ity indray. Ireo raim-pianakaviana ireo, hoy ny fanazavana, dia tokony handoa "pension alimentaire" na saran-tsakafo ho an'ny zanany, izany hoe, volan-jaza kanefa tsy nanefa izany. Ny tsy fandefasana azy ireo hijery mivantana ny amboara erantany, noho izany, no sazy nomena azy ireo, raha ny voalaza ihany. Ny fetin'ny ray nefa ity manakaiky rahateo.
Nangonin'i J. Mirija