airtel

Any Ivelany

24-mai-2022

Any Ivelany

SARIMIHETSIKA MITOHY NY FIKETREHANA NY “BAD BOYS 4”

Sample post image

Io tsy misy miato izany, hoy ny filohan’ny marika Sony, Tom Rothman, fa mbola mitohy hatramin’izao ny fiketrehana ny sarimihetsika “Bad Boys 4”.

24-mai-2022

Taona maro no nahalalako an’I Will Smith, izay isan’ny mpilalao fototra hatrany tamin’ireo andiany miisa telo tany aloha. Ohatrana olona tsara naneho ny fetrany sy ny fananany fihetseham-po toy ny olombelona rehetra izy amiko rehefa sendra mandalo fotoana mahasosotra azy. Amin-kitsim-po no nialany tsiny imasom-bahoaka ary izao mino ny atao hoe famelan-keloka sy fiaingana vao eto amin’ity fiainana ity, hoy hatrany ity talen’ny sarimihetsika amerikanina sady filohan’ny trano famokarana Sony Pictures Entertainment ity.
RAHARAHA AO OKRAININA
MIRONA ANY AMIN’NY FANAMARIHANA HELOKA AN’ADY
Miakatrakatra ny maripana ao Dombass. Mifantoka ao amin’ny faritr’i Lougansk sy Donetsk ankehitriny ny hery ara-tafik’i Rosia iraimanontolo, hoy i Serguiï Gaïdaï, governoran’ny faritra voalohany. Mandry an-driran’antsy amin’ny mety ho darok’i Moscou 24 amin’ny 24 ora ankehitriny, hoy izy, ny toerana stratejika ao Severodonetsk. Mirona any amin’ny fanamarihana fisiana heloka an’ady na « crimes de guerre » raha ny hita omaly, etsy an-kilan’izay, ny raharaha ao Kiev. Miaramila rosianina 21 taona no voampanga ho namono nahafaty sivily 62 taona izay nanosika bisikileta sy nandray antso tamin’ny finday. Ny filoham-pirenena Okrainianina, Volodymyr Zelensky, moa dia manohy ny fitetezam-paritra ataony amin’ny alalan’ny resaka amin’ny horonantsary mivantana na “visioconférence”, raha ny fampitam-baovao omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique