airtel

Any Ivelany

20-avril-2021

Any Ivelany

SUPER LEAGUE” TSIVALANAN’NY UEFA MAFY

Sample post image

Klioba 12 isan’ireo matanjaka eto ambonin’ny tany (Real de Madrid, Atletico de Madrid,

20-avril-2021

 

FC Barcelone, Manchester United, Liverpool, Manchester City, Arsenal, Chelsea, Tottenham, AC Milan, Inter de Mila, Juventus) no nanapa-kevitra hanangana ny fifaninanana vaovao “Super League” any Eoropa izay ahitana mpifaninana 20 eo, ka hiala ao anatin’ny UEFA Champions League. Ny Filohan’ny Real de Madrid Florentino Perez no Filohany, ary nilaza ny vonona hamatsy vola 3,2miliara dolara an’io ny Banky Amerikanina JP Morgan. Hahazo 355 tapitrisa dolara isaky ny klioba. Nolavin’ny FIFA an-kolaka, toherin’ny UEFA io, ka izay mpilalao mandray anjara, dia tsy afaka hilalao amin’ny ekipam-pirenena amin’ny “Euro” sy amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Modial 2022” any Qatar.

Dans la même rubrique