airtel

Any Ivelany

25-août-2021

Any Ivelany

TCHAD NODIMANDRY OMALY I HISSÈNE HABRÉ

Sample post image

Nodimandry omaly 24 teo amin’ny faha-79 taonany ny Filoha Tchadien teo aloha Hissène Habré. Naiditra hopitaly tany Dakar Sénégal ny faran’ny volana aogositra teo izy,

25-août-2021

 ary voalaza fa mbola tratry ny covid-19 ihany avy eo. Voaheloka higadra mandra-pahafaty moa izy ny 16 mey 2016 araka ny didin’ny “Chambres Africaines extraordinaires” tany Dakar. Nilaza mantsy ny kaomisionina mpanao fanadihadiana taorian’ny fionganany, fa manodidina ny 4000 ireo maty tamin’ny hetraketraka ka nenjehina noho fanitsakitsahana ny zo maha olona, fanolanana, fanandevozana, vono olona, fakana an-keriny,… izy. Taorian’ny fahaleovan-tenan’I Tchad tamin’ny 1960 no nianatra tany Frantsa izy, fony mbola ankizy. Niverina tany Tchad, ary namorona vondrona mpikomy. Lasa Praiminisitra ny 1978, saingy naongany ny Filoha ny 7 jona 1982. Tafajanona teo amin’ny Fitondrana 8 taona, saingy voaongan’I Idriss Déby ihany koa ny 1990. Ity farany izay, maty voatifitra 3 volana lasa izay.
ALGERIE SY MAROC
TAPAKA NY FIFANDRAISANA ARA-DIPLAOMATIKA
Nanambara ho nanapaka ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’I Maraoka ny Alzerianina tamin’ny alalan’ny Lehiben’ny Diplaomasiany Ramtane Lamamra omaly. Manao fihetsika ho mpifavalo amin’I Algerie I Maraoka raha ny nambaran’ity Minisitry ny raharaham-bahiny ity, ka nilazany fa mitohy foana tsy misy fitsaharany izany. Tondron’I Algerie ho tompon’andraikitra sy ao ambadiky ny krizy miverimberina any amin’izy ireo ny Maraokanina. Tafiditra ao anatin’ny lonilony ny resaka fifampitsabahana saika any Magreb amin’ny ankampobeny. Vao ny herinandro lasa teo no notondroin’ny Alzerianina ho misy hifandraisany amin’I Maraoka ny fahamaizana be niteraka faty olona tany aminy.
MBAPPE
NANOME TOLOTRA 160 TAPITRIS EUROS NY REAL MADRID Herinandro tsy hifaranan’ny “Mercato Estival”, nambaran’ny fampahalalam-baovaon’ny Taksport fa manome tolotra 160 tapitrisa euros amin’ny PSG mba hahazoany an’I Kylian Mbappé ny Real de Madrid, ka eo am-pelatanan’ny mpitantana ny PSG ny fanapahan-kevitra. Ho tapitra ny jona 2022 ny fifanarahana, ary afaka mandeha malalaka I Mbappé aorian’izay. Talohan’izao dia voalaza fa nanome soso-kevitra fifanarahana 5 taona azo havaozina herintaona ny PSG, ary ho mpilalao fahatelo be karama indrindra aorian’I Messi sy Neymar I Mbappé. Rehefa tsy manaiky an’io dia alefany, ary haka an’ilay Brezilianina Richarlison 24 taona, mpilalaon’ny Everton. Hanao ahoana ihany?
Toky R
 

Dans la même rubrique