airtel

Any Ivelany

02-mars-2026

Toe-draharaha any Moyen-Orient

Manohana ny satan’ny ONU sy ny

Sample post image

lalàna Iraisam-pirenena i Madagasikara

02-mars-2026

Namoaka fanambarana hentitra ny Governemantan’ny Repoblikan’i Madagasikara manoloana ny fitomboan’ny fifanolanana ara-miaramila any Moyen-Orient, taorian’ireo fanafihana sy valifaty niseho nanomboka ny sabotsy 28 febroary 2026 tao amin’ny faritr’i Golfa Persika. Naneho ny ahiahiny lalina manoloana ny famoizana aina sy ny mety hitarika fiparitahan’ny ady manerana ny faritra. Nohamafisiny fa manohana ny foto-kevitry ny Sata mifehy ny Firenena Mikambana na ny ONU sy ny fanajana ny lalàna iraisam-pirenena i Madagasikara. Noho izany, dia miantso ny fampitsaharana avy hatrany ny herisetra sy ny fiverenan’ny fifampidinihana ara-diplaomatika haingana ny governemanta. Naneho fanohanana ny Antson’ny Vondrona Afrikanina ny Fanjakana Malagasy. Araka ny antso nataon’ny Vondrona Afrikanina, dia nanamafy ny Fanjakana Malagasy fa ny fifampiresahana sy ny diplaomasia ihany no lalana hahafahana mampitony ny disadisa sy mitandro ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra. Nanambara ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny fa hatreto dia tsy misy olom-pirenena malagasy voakasika amin’ireo tranga any amin’ireo firenena voatohintohina. Na izany aza, dia mailo hatrany ireo Masoivoho sy tompon’andraikitra, ary miantso ny Malagasy rehetra mba hitandrina sy hanaraka ny toromarika omen’ny manampahefana eo an-toerana. Nanamafy ny Fanjakana Malagasy fa mijoro hatrany amin’ny fandriampahalemana, ny fitoniana iraisam-pirenena ary ny famahana am-pilaminana ny fifanolanana izy, ho fanehoana ny firaiketam-pony amin’ny filaminana sy ny fiarovana ny maha-olona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Mila miomana isika eto Madagasikara, hoy Pr Joseph

Card image cap
05-mars-2026

Miitatra ny ady, manomboka henjana ny fiantraikany eran-tany

Card image cap