Mihazakazaka ny toe-draharaha iraisam-pirenena ! Taorian’ny fihaonany tamin’ny Filoha Amerikanina Donald Trump, dia ny filoha Rosianina Vladimir Poutine indray no nihaona tamin’ny bfiloha sinoa Xi Jinping, nanamafy ny fifandraisana stratejika eo amin’ny firenena roa tonta, na dia eo aza ny krizy maneran-tany. Nahatratra 40 ny fihaonana sy fifankahitana teo amin’ny roa tonta nandritra ny 13 taona. Nilaza i Xi Jinping fa nampitombo hatrany ny fitokisana ara-politika sy ny fifanarahana stratejika” ny roa tonta, raha naneho kosa i Poutine fa eo amin’ny haavo tsy mbola nisy hatrizay ny fifandraisana, na dia misy aza ireo sakana ivelany tsy mahasoa. Tao anatin’ny fanambarana iombonana navoakan’ny Kremlin, nanasongadina ny filàna miverina amin’ny fifampiresahana sy fifanarahana haingana izy roa, ary nilaza fa manitsakitsaka ny lalàna iraisam-pirenena ny daroka baomba nataon’i Etazonia sy Israely tamin’i Iran. Voaresaka ny ady ao Okraina sy ny fihenjanana ao Moyen-Orient, indrindra ny amin’ny Hoalan’i Persika, izay manan-danja ho an’i Shina amin’ny famatsiana solika sy entona, ary ho an’i Rosia amin’ny fitadiavana tsena vaovao. Rosia, mpamokatra solika fahatelo sy entona faharoa eran-tany tamin’ny 2023, nahita fahafahana hanitatra ny varotra amin’ny alalan’i Shina, izay efa mandray mihoatra ny 30% amin’ny fanafarany sy 25% amin’ny fanondranany. Ny varotra sinoa-rosiana dia nitombo avo roa heny hatramin’ny 2020 ary niakatra 20% indray tamin’ny volana voalohany 2026, manaporofo ny fifandraisana ara-toekarena lalina. Nampiasain’i Poutine ny fihaonana mba hanosehana ny tetikasa “Force de Sibérie 2”, gazoduc lehibe izay hanokatra làlana vaovao ho an’ny entona rosiana mankany Shina, taorian’ny fialan’ny Eoropa noho ny ady tao Okraina. Na dia nisy “fandrosoana” aza, mbola tsy voasonia ny fifanarahana, hoy ny Kremlin. Nanambara ihany koa ny tsy fitoviana ara-toekarena: Shina manana PIB 20.000 miliara dolara sy fitomboana 5% tamin’ny 2025, raha Rosia kosa miankina betsaka amin’ny tsena sinoa sy ny fanondranana angovo. Ny tetikasa gazoduc sy ny fitomboan’ny varotra dia manaporofo fa mitady làlana vaovao i Moscou, raha manamafy ny tanjany ara-toekarena sy ara-diplomatika kosa i Beijing.
Toky R