airtel

Any Ivelany

18-janv-2021

Any Ivelany

Toetr`andro mikorontana Ritra ireo renirano, mijaly ny mpamboly

Sample post image

Tsy mety ho tonga ny orana saika amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara.

18-janv-2021

 

 

 

Sahirana noho izany ny mpamboly. Raha misy ny orana dia faritra vitsy no ahitana izany. Tao anatin’ny taona maro izay dia ny hain-tany tamin’ity taona ity no isan’ny lehibe indrindra. Ho an’ny eto Antananarivo manokana sy ny manodidina dia maro ny tanimbary tsy voavoly vary noho ny tsy fisian’ny orana. Tao anatin` ny dimy andro dia nisy fihenana ireo renirano mandalo eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Misedra fahasahiranana, araka izany, ireo mpamboly vary manamorona ireny renirano ireny izao. Vitsy dia vitsy ny tanimbary vita ketsa. Amin’ny volana janoarytahaka izao nefa dia efa maro ny vary miakatra eto Analamanga. Tsy ampy koa ny rano ao Sisaony sy Imamba ka tanimbary be no tsy tongan’ny rano. Tsy maintsy hisy ny tsy fahampian’ny vary eto Madagasikara amin’ ity taona 2021 ity. Manoloana izany dia ho dinihana ireo vahaolana izay haroso amin`ireo tantsaha mpamboly amin`izao tsy fahampiana ny rotsak`orana ka miteraka olana amin` ny sehatrin` ny fambolena, hoy ny minisiteran` ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (MAEP). Hisy, araka izany, fivoriana iarahan` ny MAEP sy ireo mpisehatra hijery vahaolana maika ho fiatrehana izay faharitriana renirano izay. Nanamafy ny minisitra Ranarivelo fanomezantsoa Lucien fa hisy fidinana ifotony ary hiroso amin`ireo asa vonjitavandro hanampiana ireo mponina ny minisitera.

 

Marigny A.

Dans la même rubrique