airtel

Any Ivelany

16-juin-2021

Any Ivelany

Tolotra « Tongava Speed » ao amin’ny Onemodo Mividy Gazety Vidy Varotra dia mahazo fihenam-bidy

Sample post image

Miezaka manome hatrany ireo tolotra manintona ny mpanjifa sy ny mpiantsena amin’ny alalan’ny tolotra an-gazety ny Gazety Vidy Varotra,

16-juin-2021



 izay mivoaka isaky ny alarobia sy ny zoma. Ohatra amin’ireny ny fiara sy tany mora vidy, ny « promotion », ny « Avis de l'expert », ny « nouvelle technologie » maro samihafa. Tolotra miavaka sy vaovao be omen’ny Vidy Varotra kosa ny "TONGAVA SPEED", iarahana amin’ny orinasa Onemodo ho an'ireo izay hanjifa sy ireo efa mpanjifa ny gazety vidy varotra hatramin'izay . Anio alarobia 16jona manomboka amin'ny 9ora maraina hatramin’ny 06 ora hariva àry, ao amin’ny Onemodo Colisée Ampasanimalo Box 14 sy 32, dia afaka misitraka ny «Remise » am alalan'ny fitondrana « coupon sur le lieu » ny mpanjifa. Entana efa voafantina tsara no atolotra ny olona, indrindra amin'izao akaiky fetin'ny Ray izao. Dingana arahina amin’izany ny fividianana Gazety Vidy Varotra izay mivoaka androany alarobia 15 jona, manapaka ilay « coupon » efa mipetraka ao, ary iny no hoentina eny amin’ny Colisée ahafahana misitraka ilay « remise » eny an-toerana, « coupon » iray ho an'ny olona iray, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Vidy Varotra sy ny Onemodo.

Toky R

Dans la même rubrique