airtel

Any Ivelany

24-mars-2022

Any Ivelany

TOTAL ENERGIES HANATSAHATRA NY FIVIDIANANA SOLIKA AMIN’I RUSSIE

Sample post image

Nanambara ny tsy hividianany ny solika Rosianina intsony ny Vondron’orinasa Frantsay matanjaka TotalEneergies hatramin’ny faran’ny taona 2022 farafahatarany.

24-mars-2022

 Nanome toky ny hahitany làlam-barotra hafa hamatsiany an’i Eoropa ity orinasa ity. Hatramin’ny nanombohan’ny ady tany Ukraine, tsy nitsahatra ny tsindry nahazo ny TotalEnergies, izay efa nanameloka ny fanafihana ataon’i Russie, saingy nitazona hatrany kosa ny fifarahany ara-barotra tamin’io firenena io. Efa nanambara ny hialany amin’i Russie moa ny ankamaroan’ireo orinasa momba ny solika sy ny gaz na « pétrogaziers » tandrefana, tahaka ny Shell, ExxonMobil, BP, raha toa ka niezaka nitazona izany ny TotalEnergies. Niakatra ny tsindry avy amin’ireo ONG ekolojika, ny kandidan’ny EELV (Europe Ecologie Les Verts) amin’ny fifidianana filoha Frantsay Yannick Jadot izay nilaza fa mihitsy fa mitsikombakomba amin’ny heloka momba ny ady na « crime de guerre ». Marihina fa ny 12% amin’ny gazoala ampisain’i Europe no avy any Russie, saingy milaza ny TotalEnergies, saingy efa mijery fanafarana hafa miainga amin’ny kaontinanta hafa ity vondron’orinasa ity, ka isan’izany ny raffinerie Saodianina Satorp, izay isan’ny tompon’ny petra-bola ao miaraka amin’ny Aramco rahateo ny Total.

CHINE
MITSIPAKA NY FANALANA AN’I RUSSIE AMIN’NY G20
Mikendry ny hanaisotra sy hanilika an’i Russie tsy ho ao anatin’ny vondron’ireo firenena matanjaka indrindra eran-tany na ny G20 ny Amerikanina sy ny tariny, ka hisy ny fivoriana mikasika izany nangatahin’i Washington. Antony ny fanafihana ataon’i Russie an’i Ukraine. Ny talata lasa teo no efa naneho i Jake Sullivan mpanolontsaina ara-piarovana an’i Joe Biden fa azo eritreretina ny hanilihana an’i Vladimir Poutine tsy ho ao anatin’ny G20. Amin’ny faran’ity taona ity moa no hivory any Indonesie ny G20, raha toa ka rahampitso ka anio kosa no hivory any Bruxelles ny OTAN, G7, Vondrona Eoropeanina,… handinika ny fanamafisana ny sazy ho an’i Russie ka isan’izany ny ankivy tsy hividianana ny solika avy amin’io firenena io, izay mbola tsy mampitovy hevitra ny firenena 27 ao anatin’ny vondrona eoropeanina. Nanao fanambarana avy hatrany mitsipaka an’io kosa ny sinoa tamin’ny alalan’ny mpitondra teny diplaomatikany Wang Wenbin, izay nilaza fa mpikambana manan-danja ao anatin’ny G20 i Russie, ary tsy misy mpikambana afaka manilika firenena iray izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique