airtel

Any Ivelany

15-juin-2022

Any Ivelany

Tsy ampy solika, milina simba,… Lasa mpandrindra delestazy sisa ny Jirama

Sample post image

Niaiky ny Jirama tarihin’ny Tale Jeneraliny vonjimaika Rivo Radanielina omaly 14 jona 2022 fa maro ny olana mahazo ny Jirama, mahatonga ny delestazy tsy miato io,

15-juin-2022

ka ny fahatapahana no tsy maintsy harindra satria misy olana avokoa na milina mandeha amin’ny riandrano na ny mandeha solika, ary goavana ny tsy fahampian-tsolika. Nambara fa noho tsy fahampian'ny famatsiana solika dia tsy maintsy fehezina ny fahatapahana, izany hoe tsy maintsy hisy sy mitohy ny delestazy. Nambara fa tsy tokony hihoatra ny 2 hatramin'ny 3 ora ny fahatapahana ho an'ny tambajotra iraisan'Antananarivo na ny RIA, ary tsy tokony hiverina in-droa ny fahatapahana ho an’ny toerana iray, kanefa omaly betsaka ny tanàna teto Antananarivo tapaka efa ho adin’ny telo ny tapany maraina, ary mbola niverina ihany koa ny hariva. Nolazaina fa tsy tokony hihoatra ny adin’ny efatra ny any amin’ireo tanàn-dehibe hafa, kanefa misy aza ampifandimbiasina iray andro iray andro,... Nampanantena kosa ny jirama fa tsy hisy delestazy manerana ny Nosy ny 25-26 jona. Tena goavana ny olana, misy ny fifanenjanana amin’ny orinasan-tsolika izay toa manomboka manenjana amin’ny Fanjakana ihany koa. Manodidina ny 1000 miliara ariary moa ny trosa tsy voalohan’ny Fanjakana, raha ny vaovao efa niely. Nilaza mantsy ny Jirama omaly fa tsy ampy ny solika manerana ny Nosy, 30% ny fanenana tsy maintsy atao amin'ny solika. Niaiky ihany koa fa tena nanao réquisition na naka solika an-ditra tamin'ny orinasan-tsolika na ny pétroliers no azo handikana azy, saingy efa najanona io “réquisition” io. Hiverina amin'ny famatsiana normal na araka ny tokony ho izy amin'ny volana ambony, ao anatin'ny fifanarahana mazava. Efa mandeha ny fifampiraharahana amin’ny mpamatsy solika”, hoy ny Tale Jeneralin'ny Jirama vonjimaika. Nilaza ihany koa ny Jirama fa hiakatra avo roa heny ny sandany hividiana gazoala, 58% ny fiakaran'ny fuel lourd. Maro ireo olana notanisaina simba ny milina 2 any Symbion Power tokony hamokatra 40MW ka 0MW ny famokarany amin’izao; simba ny milina iray an’ny Aksaf Power, ka misy fahabangana 6MW ny famokarana 60MW ataony. Manampy trotraka ny solika mbola ny milina 2 amin’ny 4 any Andekaleka hatrany miodina taorian’ny fahamaizana efa tamin’ny janoary, ary 62MW eo ny vokariny. Ny milina fahatelo nambara fa efa mandeha saingy mbola misy olana ny “transformateur” ka ezahina hovitaina amin’ity jona ity. Mbola tsy mandeha ihany koa ny milina faha-4 izay vaovao. Tokony ho 120MW eo ny famokarana saingy mbola ny antsasany eo izany no mandeha. , ny any Tsiazompaniry nambara fa tsy ampy ny tosiky ny rano.


Fehiny, mbola mafy ny ady, “mbola tsy tomombana ny famatsiana ka miala tsiny amin'ny vahoaka. Hafainganina ny ezaka, efa betsaka ny vita. 0 hatramin'ny 5MW sisa ny delestazy rehefa miverina Andekaleka. Mandeha ny fifampidinihana amin'ny pétroliers, miara-miasa, miara-mitady vahaolana” hoy Atoa Rivo Radanielina Tale Jeneraly vonjimaikan’ny Jirama.

Toky R 

Dans la même rubrique