airtel

Any Ivelany

29-avril-2022

Any Ivelany

UKRAINE MANOMBOKA DAROHAN’NY ROSIANINA I KIEV

Sample post image

Niditra tamin’ny andro faha-64 omaly ny fanafihana ataon’ny Rosianina any Ukraine. I Kiev renivohitra no nanomboka lasibatry ny daroka baomba omaly.

29-avril-2022

Tao anatin’ny fotoana nitsidihan’i Antonio Guterres Sekretera Jeneralin’ny Firenena no nisehoan’izany izay sambany nanomboka tamin’ny fisasahan’ny volana aprily ny fitsidihan’ity tompon’andraikitra ambony ity. Avy nitsidika an’i Moscou avy eo nakany Kiev ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana. Toerana tena mampananosarotra ny Rosianina i Kiev, saingy efa manomboka tena darohany. Nanambara ny Rosianina fa nahapotika toeram-panatobiana bala sy solika miisa 6. Nanambara ny Minisitry ny fiarovana Roisianina fa efa mahatratra 76 ireo toby miaramila nopotehin’izy ireo. Mangataka ny hananganana TPI (Tribunal Pénal International) ny Rafitra parlemantera eo anivon’ny filankevitra Eoropeanina mba hiantsoroka ny fanadihadihadiana sy ny fanenjehana momba ny vono moka amin’ny fanafihana ataon’ny Rosianina.
CENTRAFRIQUE FIRENENA
AFRIKANINA VOALOHANY MAMPIASA NY “BITCOIN”
I Centrafrique no firenena voalohany nametraka ny vola Bitcoin ho vola ofisialy ankoatra ny Franc CFA. Manahy noho izany ny Banky Foibe Tandrefana amin’ny fampiasana ny “cryptomonnaie” mba hialana amin’ny fanasaziana ataon’ny Rosianina. Ny alarobia lasa teo no nanamafisan’ny Fanjakana any an-toerana an’io fanapahan-kevitra io satria nolanian’ny parlemanta tsy nisy fisalasalana io, izay nampiarahana amin’ny lalàna momba ny Cryptomonnaie any amin’ity firenena ity. Efa nankatoavin’ny Filoha Faustin-Archange Touadéra. Ny volana septambra lasa teo, i Salvador no firenena voalohany maneran-tany nametraka ny Bitcoin ho vola ara-dalàna, raha toa ka nanambara kosa ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) fa fanapahan-kevitra zava-doza amin’ny fahamarinan-toerana ara-bola sy ny fiarovana ny mpanjifa io. Tsara ny manamarika fa ny “cryptomonnaie dia kazarana vola nomerika tsy mila Banky Foibe ny fikirakirana azy, fa mirona betsaka amin’ny teknolojia. Mahatratra 37 840,33 Euros ny 1 bitcoin ho an’ny omaly.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique