airtel

Any Ivelany

16-févr-2022

Any Ivelany

UKRAINE NAFINDRAN’I ETAZONIA NY MASOIVOHONY

Sample post image

Nanapa-kevitra nanakisaka vonjimaika ny Masoivohony tao Kiev ho any andrefan’i Ukraine any Lviv manakaiky an’i Pologne ny Amerikanina.

16-févr-2022

Ny faran’ny herinandro no efa notapahana ny raharaha kaonsilera. Anton’io ny ny ambana ataon’ny Rosianina amin’i Ukraine sy ny mety hisian’ny fanafihana tampoka. Maro ireo firenena efa mampody ny olony tahaka an’i Allemagne, Italie, Canada, Japon, Israël, Belgique, Norvège,… Raha miverina kely amin’ny tantara, tany amin’ny taona 1783 dia voalaza fa an’i Russie i Crimée, saingy lasa Repoblika kely manana parlemanta manokana rehefa rava ny Vondrona Sovietika, ary nalain’i Russie sy nofaritany ho azy (annexation) tamin’ny 2014. Mbola mirakitra amin’i Faritry Ukraine anefa ny Penensulle de Crimée izay isan’ny anton’ny lonilony, tsy levon’ny vavonin’i Russie ny hidiran’i Ukraine amin’ny OTAN (Organisation du Traité de l’Atlantique Nord) izay fifanampiana ara-tafika sy ara-stratejika, raha sokajian’i Ukraine ho antoka ara-pilaminana sy ara-pahaleovantena ho azy. Voalaza moa omaly, fa nanaisotra ny ampahana tafika ny Rosianina.
FAKO PLASTIKA SY SIMIKA
EFA MIHOATRA AMIN’NY ZAKAN’NY PLANETA TANY
Mihoatra amin’ny fetra tokony ho izy ny loto ateraky ny fako plastistika sy simika eto amin’ny planeta, ary tsy maintsy dinihina haingana ny fomba hamerana azy amin’ny alalan’ny fehin-kevitra ara-tsiantifika. Mahatratra hatrany amin’ny 350 000 ny “cocktail” vokarin’ny olombelona, izay mitondra taharo makany amin’ny rivotra (atmosphère) sy miantraika mivantana na ankolaka amin’ny tontolo iainana. “Ny fiantraikany izay efa natombokay ny fandinihana dia hita fa tena goavana sy loza ho an’ny planeta tany sy ny “écosystèmes” miaraka aminy ny zava-misy”, hoy i Bethanie Carney Allmroth manam-pahaizana ara-tsiantifika any amin’ny Resilience Centre any Stockholm. Latsaky ny 10% amin’ny fako plastika ihany no voavadika na “recyclé” kanefa nitombo avo roa heny ny famokarana nanomboka ny taona 2000, izay mivangongo hatrany amin’ny 367 000 000 taonina. Ankehitriny, dia tafiakatra avo 4 heny amin’ny “biomasse” na ny maloto avoakan’ny biby rehetra velona ny fako plastika, araka ny fanadihadiana ara-tsiantifika.
Toky R
 

Dans la même rubrique