airtel

Any Ivelany

01-mars-2022

Any Ivelany

UKRAINE SY RUSSIE MBOLA HO HENJANA NY ADIHEVITRA

Sample post image

Nanomboka omaly tany Bielorrussie tany amin’ny sisin-tany manasakara azy amin’i Ukraine ny fifampiresahana mikasika ny ady any Ukraine.

01-mars-2022

 Nitarika ny delegasionina Rosianina ny mpanolontsain’ny Kremlin Vladimir Medenski raha toa kan y Minisitry ny fiarovana Olesksïï Reznikov kosa ny an’i Kiev. Voalaza fa tsy tena namoaka ny fomba fijeriny na ny “position” ny avy any Kremlin, ary naneho ny tokony handehanan’ny dinika am-pahanginana. Samy nilaza ny hanao tatitra any amin’ny Renivohitry ny fireneny avy aloha, ary miomana amin’ny dinika andiany faharoa, izay mbola tsy fantatra ny daty. Mangataka ny hampitsaharana faran’izay haingana ny ady sy ny hialan’ny tafika Rosianina ny solontenan’I Ukraine, ary nangataka hatrany ny fidirany ao anatin’ny Vondrona Eoropeanina. Isan’ny voalaza fa takian’ny Rosianina kosa ny fanekena an’I Crimée ho isan’ny tanin’ny Rosianina, araka ny resaka nifanaovan’I Poutine sy Macron, hoy ny vaovao Tandrefana. Mitaky ny tsy hanaovana fitaovana sy saribakolin’ny Tandrefana ny mpitondra ao Ukraine, ary mitaky ny tsy hitanilan’io firenena. Omaly andro fahadimin’ny ady, nanokatra ny làlana ahafahan’ireo sivily nivoaka an’i Kiev kosa ny tafika Rosianina, ary somary niha nalefaka ny fanafihana. Miomana amin’ny fanafihana mafy kokoa raha tsy mahomby ny dinika? Heverina fa mbola ho henjana ny adihevitra!
ADY ANY UKRAINE
MANOMBOJA MIZAKA NY VOKANY I EOROPA
Manomboka miantraika tanteraka any Eoropa ny ady any Ukraine. Manomboa misedra olana amin’ny famatsiana gaz satria ny 40% amin’ny filàny dia avy any Russie. Voalaza fa naneho ny fisian’ny hamehana momba io angovo ion y Gazprom mpandrindra ny tontolon’ny gaz any Eoropa, ka ahiana ny krizin’angovo. Efa lany ny 70% amin’ny tahiry, ary 30% sisa tavela. Miisa 11 eo ny Vondron’ireo firenena mpamokatra gaz, saingy miharihary ny fahabangan’ny famatsiana Rosianina, izay heverina fa hampidangana ny vidin’io angovo io. Etsy ankilany, mitohy ny fanakianana sy fanenjehan’ny Tandrefana an’I Russie. Ny fiantranan’i Russie amin’ny fitaovam-piadiana nokleary dia mitondra izao tontolo izao any amin’ny krizy maneran-tany vaovao, hoy ny Sekretera Jeeneeralin’ny Firenena Mikambana (ONU) Antonio Gueterres. Nambarany ihany koa fa hisy fiantraikany goavana eo amin’izao tontolon izao ny krizy any Ukraine. Nanambara ny fanakanany ny fidiran’ny sambo Rosianina aminy kosa ny Britanika, ary nanamafy ny fanagejana ny fananan’ireo Banky Rosianina ao aminy. Isan’ny voasakana tsy hiditra any Angleterre ilay mpanefoefo Rosianina Roman Abramovitch tompon’ny Klioban’I Chelsea satria namana akaikin’i Vladimir Poutine. Nandrara ny Amerikanina tsy hanao fandraharahana amin’ny orinasa Rosianina ihany koa i Etazonia.
Toky R
 

Dans la même rubrique