airtel

Any Ivelany

05-avril-2022

Any Ivelany

UKRAINE TAFIAKATRA 1417 NY SIVILY MATY

Sample post image

Feno 40 andro katroka omaly alatsinainy ny fanafihana ataon’i Russie any Ukraine. 1417 ireo sivily efa namoy ny ainy, ka ankizy ny 121 amin’ireo, araka ny tatitry ny Birao misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena

05-avril-2022

 Mikambana na ny HCDH. Nampihiratra ny mason’izao tontolo izao ilay fahitana faty niampatrampatra efa ho 410 tany amin’ny lalan’i Boutcha, tsy lavitra an’i Kiev ny faran’ny herinandro iny. Ity tanàn-dehiben’i Boutcha ity, izay ahitana ireo tena latsaka anaty ny foto-pisainana ny fiarovana an’i Ukraine. Niampatrapatra ny faty taorian’ny fialan’ny tafika Rosianina, ka niteraka fanameholana maro samihafa noho ny vonomoka na « génocide ». Naneho alahelony manoloana ny faty niampatrampatra tao Boutcha io Kaomisera ambony eo anivon’ny ONU Michelle Bachelet. Nivory maika handinika ny fanasaziana vaovao hafa ho an’i Russie ny Vondrona Eoropeanina, ka isan’ny naneho ny fanohanany an’io ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Chancelier Allemand Olaf Scholz. Miantso adihehitra eo anivon’ny ONU eo anatrehan’ny ambarany fa fihantsiana feno fankahalana niseho tany Boutcha kosa ny Rosianina. Nanapa-kevitra hampiato an’i Russie sy Bielorussie tsy hisitraka ny « fonds de la Berd » kosa ny BERD (Banque Européenne pour la Réconstruction et Développement).
KYLIAN MBAPPE
« MBOLA TSY MANAN-TSAFIDY AHO »
Nanambara i Kylian Mbappé ny alin’ny alahady teo taorian’ny fandresena 5-1 azon’ny PSGG nanoloana ny FC Lorient teo amin’ny andro faha-30 ho an’ny Ligue 1, fa mbola tsy manan-tsafidy ary mbola tsy nanapa-kevitra momba ny ho aviny izy. Ho tapitra amin’ity taom-pilalaovana ity ny fifanarahany amin’ny Paris Saint-Gérmain, ary afaka mandeha an-kahalalana. Nilaza anefa izy fa mbola mandinika, ary tsy te hamita-tena. Misy ny ekipa vaovao, misy ny fahafenoan’ny fepetra, mbola mandinika aho, hoy izy. Nambarany kosa fa ny fanapahan-kevitra horaisiny dia safidiny manokana fa tsy misy olana na amin’iza na amin’iza, ary tompon’andraikitra feno amin’ny safidiny izy. Ny ekipan’ny Real de Madrid moa hatreto no malaza fa hifindran’i Kylian Mbappé izay 23 taona amin’izao fotoana izao. Mbola mandeha ny fifandresen-dahatra, ary hatramin’ny mpitondra ambony sy ny polisitianina Frantsay aza dia efa nisy nandresy lahatra an’i Mbappé hijanona ao Paris. Handeha sa hisafidy ny hijanona?
Toky R
 

Dans la même rubrique