airtel

Any Ivelany

29-avril-2021

Any Ivelany

VARIANT INDIEN EFA MIPARITAKA ANY AMINA FIRENENA 17

Sample post image

Miely haingana be ny “variant Indien” na B.1.617 izay tena mamono haingana dia haingana.

29-avril-2021

Firenena 17 raha kely indrindra no efa misy azy ankehitriny, araka ny tatitry ny OMS ny talata teo. Isany efa ahitana izany i Royaume-Uni, Etazonia, Singapour. Tao anatin’ny andro vitsy dia efa nahitana ihany koa tany amin’ny ankamaroan’ireo firenena Eoropeanina, toa an’I Belgique, Grèce, Suisse, Italie. Tsy mbola nisy trangana “variant Indien” voamarina kosa tany Frantsa, hoy ny Minisitry ny fahasalamana Olivier Véran. Mora mifindra sady vetivety dia mahafaty ny variant B.1.617, ary ambaran’ny OMS fa mety tsy handairan’ny vaksiny. Nahatratra 379 459 ny tranga vaovao tao anatin’ny 24ora farany, ary 3647 ny maty tany Inde. Tsy maharaka intsony ny fandorana razana, ary tsy voahaja intsony fombafomba, fa izay hahatonga azy ho lavenina no hatao, asaina mitondra kitay handorana azy ny havan’ny maty.

 

Dans la même rubrique