airtel

Any Ivelany

25-sept-2023

Vondrona Gasy tia toaka

Nihaona teny Ankorondrano

Sample post image

Nanatanteraka fihaonana ny marainan’ny sabotsy teo ny Gasy Tia Toaka.

25-sept-2023

Vondrona hafa kely ifandriasan'ireo mpisotro zava-pisotro misy alikaola izy io, raha ny fampitam-baovao voaray. Miisa 12.000 mahery ny mpikambana ao aminy ary dia nisy ny antso nataon'ny mpandrindra ny vondrona ho an'ny fihaonana nasionalin'izy ireo tetsy Ankorondrano iny sabotsy iny. Am-polony maro kosa ireo tonga namonjy ny hetsika ary nameno mihitsy ny "kitonotono" ireo mpikambana mavitrika, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Mampametra-panontaniana ihany hoe inona moa izany no tena tanjon’ny fikambanana tahaka itony? Mifanaraka amin’ny lalàna sy soatoavina misy eto amin’ny firenena ve? Mety ho azo heritreretina sy ho sanatrian’izany halalaka ihany koa ve atsy ho atsy ny fikambanan’ny na vondron’ny gasy tia rongony na zava-mahamamo sy mahadomelina hafa? Isika malagasy moa izany izao malaza ho isan’ireo firenena be mpisotro toaka indrindra, raha ny tarehimarika nivoaka farany. Tokony ho rehareha sa henatra ve nefa izany?
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique