airtel

Any Ivelany

25-oct-2021

Any Ivelany

YEMEN MPIOKO 260 MATY NANDRITRA NY 3 ANDRO

Sample post image

Mpioho Houthis manodidina ny 260 no maty tany Yémen tao anatin’ny 3 andro monja ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny faritr’I Marib, tanàna stratejika any amin’ny tapany antsinanan’ity firenena ity.

25-oct-2021

Nanamafy ny fanafihana ny tafiky ny governemanta tohanan’ny iraisam-pirenena, ka isan’ny lohalaharana amin’izany I Arabie Saoudite. Nambara tao anatin’ny tatitra fa nahatratra 1600 no maty tao anatin’ny tapa-bolana, izay miteraka adihevitra moa io antontan’isa io. Raha ny nambaran’ny mpioko omaly alahady, dia manodidina ny 500 ny olona mahafatra-po tao anatin’izy ireo maty, ary 1200 kosa ny maratra tamin’ny ady tany Marib. Nanambara tao amin’ny fahitalavitra Al-Masirah I Yahya Saree Lehiben’ny Mpioko fa mitohy ny ady.
UTTARAKHAND INDE
LASIBATRY NY RANO MIAKATRA
Lasibatry ny fiakaran’ny rano noho ny orambe tsy dia nampoizina sy tsy dia mahazatra loatra ny any amin’ny tapany avaratr’I Inde amin’izao fotoana izao. Isan’ny tena voa mafy ny any Uttarakhand, faritra lalovan’ny tandavan-tendrombohitr’I Himalaya. Vokany, miakatra ny rano, dibo-drano ny tanàn-dehibe, mihotsaka ny tany, trano maro no niongana, an’arivony ny traboina, efa nihoatra ny 100 ny maty hatramin’ny omaly.

LIGA-CLASSICO
NANDOHALIKA INDRAY NY FC BARCELONE
Resy teo an-jaridainany indray ny FC Barcelone, izay kamboty sy nitotongana tanteraka taorian’ny nandaozain’I Lionel Messi azy. Resin’ny Real de Madrid tamin’ny isa 2-1 tamin’ny “Classico” ho an’ny fifaninanan’ny Liga omaly alina tao amin’ny kianjan’I Camp Nou. Nitarika tamin’ny isa roa mihitsy aza ny Merengues tamin’ny alalan’I Alaba (32’) sy Lucas Vazquez (93’), ary efa tany amin’ny 97’ vao nampihena ny isa I Aguero. Laharana faharoa vonjimaika aorian’I Real Sociedad manana isa 21 ny Real, izay manana isa 20, ary fahasivy manana isa 3 kosa ny Barça. Ho an’ny Liga dia voatazon’I Olympique de Marseille (OM) 0-0 ny PSG halina, izay vao niandoha kely ny fizaram-potoana faharoa dia karatra mena I Hakimi ary sahirana tanteraka ny Parisianina. Ady sahala voalohany ho an’ny PSG ny omaly. Efa nandresy in-tsivy sy resy indray mandeha, laharana voalohany manana isa 28 izy ireo hatreto, ary faha-4 manana isa 18 kosa ny OM.

Toky R
 

Dans la même rubrique