Miha miverina indray ny taingim-be eny anivon’ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo sy ny manodidina, raha ny tsikaritra tato ho ato.
Raha efa tany amin’ny taona 1970 izany ry mahaleo no efa nahita fa “ny fanantenana efa mihena mitsilopy.”, “tsy misy fihatsarana,”, “izay mety ho fiovana, efa zary nofinofy.
Lehilahy iray no niakatra teny ambonin’ny andrin-jiron’ny JIRAMA omaly maraina teny Andavamamba. Olona namono tena izy io raha araka ny vaovao azo saingy ny antony no tsy fantatra.
Tsy manaiky ny fizarana ny paositra ho orinasa 3 samihafa ny mpiasan’ny paositra Malagasy ka nitokona teo an-tokontanin’ity orinasam-panjakana ity tetsy Antaninarenina omaly.
Nanainga omaly Alarobia 30 jona 2021 ireo ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja rugby izay ahitana ekipa telo.
Tsy maintsy namory ny sefo fokontany miisa 25 eto Ambohitrimanjaka izahay anio, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa, omaly.
Manomboka eo amin’ny faha 12 taonany dia efa mivaro-tena ireo zazavavy sasany ao amin’ny faritra Anosy, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany iray ao an-toerana.
Mirongatra ireo karazan’aretina maro samihafa amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Ankoatra ny aretin’ny taovam-pisefoana izay maro mpahazo ny ankizy tokoa ary miteraka fahasemporana
Tsy hijanona mihitsy ny menomenontsika malagasy ary hilaza ny teo aloha ho tsara foana isika, hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison,
Miato tanteraka ny asa, tsy misy fianarana, tsy misy fanadinana, tsy misy “soutenance”. Izay no vokatry ny fitokonan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ao amin’ny oniversite Maninday Toliara
Efa nanomboka tamin’ny taona 2007 no niroso tamin’ny fitrandrahana ny elodrano isika eto Madagasikara. Any amin’iny faritra Anosy sy Androy iny no tena ahitana izany izay ahitana zaza tsy ampy taona
Anatin’ny fanamby napetraky ny JIRAMA mandritra ity 45 taona manaraka ny hanavao ny foto-drafitr’asa rehetra izay manavesatra sy tsy mahatomombana ny tolotra ho an’ny mpanjifa.
Efa mafy ny niatrehana ny valanaretina ary vao miha manampy trotraka izany ny zavamisy ny fanakanana ny fidiran’ny vokatra Malagasy any Frantsa toa ny fanafody vita amin’ny zavamaniry sy ny karazan-tsakafo sasany.