29-juil-2021
Tao anatin’ny fivahinianana tao amin’ny Real TV Madagascar omaly 28 jolay no nilazan’ny depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa
Hamaky ny tohinyEfa ny mpiaradia amin’ny fitondram-panjakana mihitsy izany izao, mba tsy ilazana hoe ny samy ao anaty fitondrana, no miaiky fa tsy ny mpanohitra azy ireo loatra no sakana
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Fiara marika sprinter ao anatin’ny koperativa mampitohy an’I Mahajanga amin’ny làlam-pirenena faha-4 iny no tra-doza omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora maraina.
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Raha ny hita sy re omaly tontolo andro aloha dia maro ireo nimenomenona sy sorena teto Antananarivo Renivohitra vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny Antanimena, Soarano,
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Nanatanteraka fidinana ifotony tany Ambatomirahavavy ny Loholon’i Madagasikara Ramatoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa omaly Alarobia 08 jolay 2021,
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Tsy arakaraka ilay fanamelohana sasany, izay toa maneho sy manondro ireo tsy mitovy hevitra ara-politika amin’ny mpitondra aloha ny ahiahy amin’ny mety ho ao ambadiky ny famonoana ny Filoha,
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Tsy mitsahatra miteny aho, hoy ny mpikaroka momba ny fitsaboana, Zaranaina Christian, fa efa mipetraka hatrany ny vahaolana mikasika ny valanaretina rehetra eto ambonin’ny tany na ho an’ny “hépatite virale”
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Nisokatra omaly ary hifarana ny sabotsy 31 jolay izao etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny hetsika varotra fampiratiana ahitana ireo vokatra Malagasy miompana amin’ny resaka sakafo na ilay hoe
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Mampahafantatra sy mampisongadina ny vita Malagasy amin’ny alalan’ny sary amin’ireo kojakoja an-dakozia vita Malagasy izahay, hoy ny Art tsara Malagasy,
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Lehilahy iray no tratra nangalatra moto tany amin’ny distrikan’Ambilobe, Faritra DIANA afak’omaly tokony tamin'ny 2 ora maraina. T
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Tontosa soamantsara ny fiofanana ho Mpanazatra" Young Coach" eto Analamanga nokarakarain’ny federasionina malagasin’ny basketball na ny FMBB sy ny CEBB ary ny Ligy Basket Analamanga
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Feno 15 taona ny fiaraha-miasan’ny fikambanana FAFI-5 Rantsana fanantenana tarihin’ny filohany, Hanitriniala Fanantenana Raholdina, sy ny klinika Fidy teo amin’ny fanaovana didimpoitra faobe.
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
Amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana ny Loholon’i Madagasikara dia tonga nitsidika ny fanamboaran-dàlana mampitohy ny Kaominin’Ambohimanjaka
Hamaky ny tohiny
29-juil-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.