17-sept-2021
Nangotraka indray ny grevy tao amin’ny Oniversiten’I Fianarantsoa omaly alakamisy 16 septambra 2021. Niverina nitokona ireo mpandraharaha eo anivon’ny anjerimanontolo na ny PAT (Personnel Administratif et Technique)
Hamaky ny tohinyNavoakan’ny fampahalalam-baovao Frantsay Le Monde fa nalain’ny orinasa Frantsay Sofema ny fiaramanidina Casa CN-235 novidian’ny Filoha Andry Rajoelina ny 2019.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Nisehoana tranga hafahafa tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano omaly. Kisoa iray no fantatra fa niteraka olona ka tahaka ny olona mihitsy ny lohany.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Very toerana miisa 3 ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny filaharana maneran-tany eo amin’ny sehatry ny baolina kitra. Navoakan’ny FIFA omaly alakamisy izany,
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Niroborobo sy nahazo vahana teto amintsika ny resaka zaitra hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Covid 19 ka niteraka ny fihibohana teto amintsika.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Ny eo tsy milamina, ny eo mitsikafona ihany! Ny ampitso marainan’ny nanendrena azy tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ho Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny mponina Rtoa Andriatsimilao Ando Firaisantsoa,
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Velon-taraina ireo mpianatra avy lavitra. Misy ny afaka bakalorea tamin’ny 2020. Nanao fifaninanana hidirana any amin’ny Sekoly ambony Polyteknika Antsiranana.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Andro sisa isaina, dia higadona ny andron’ny 20-22 septambra 2021 hanatanterahana ny « Salon de l’Etudiant et de l’Emploi » andiany faha-3 etsy amin’ny Tokontanin’ny TVM-RNM Anosy.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Araka ny fanazavan’ny vondron’orinasa mpisehatra eo amin’ny vary safiotra na “hybride”, STOI, tetsy amin’ny foara iraisampirenena Malagasy na FIM tetsy Tanjombato omaly,
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Efa saika mihetsiketsika avokoa ny ankamaroan’ireo sekoly ambony eto amintsika amin’izao taorian’ny nivoahan’ny voka-panadinana Bakalorea.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Nisokatra omaly tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 20 septambra izao ny varotra fampiratiana nomena ny lohahevitra “Made in Madagascar”
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Nankatoavina nandritry ny filakan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 15 septambra teo ny hanamboaran'ny Ministeran’ny Asa-tànana sy ny Hai-tao,
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Malagasy 2, karana 5 saika ho any Dubai no noahiahiana ho nikotrika trafikana volamena teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato alarobia lasa teo.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Hatramin’ny 15 aogositra teo ka hatramin’izao, izany hoe, 1 volana sy 2 andro taty aoriana dia tsy nitsahatra nivoaka ny dosie mikasika ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta sy olona ambon
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Nodimandry ilay tovovavy vao 18 taona monja antsoina hoe Elisah, izay nilatsahan' ny solaitrabe vita tamin’ny simenitra ny marainan'ny alatsinainy 13 septambra lasa teo tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Ramatoa roa marary mafy no fantatra fa tsy misy mpiahy ao amin'ny hopitaly Befelatanana. Kohadavareny sy aretim-po no mahazo azy ireo hoy ny vaovao.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Anjaran’ny tompon’andraikitra mahefa ny mijery ny hitantanana ny raharaha momba ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mivady,
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Mpianatra miisa 10 no saika nijanona tsy hianatra intsony noho ny fahasahiranana mianjady amin'ny ray aman-dreny ankehitriny ao amin'ny sekoly iray ao Bongatsara.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
Araka vaovao mbola tsy ofisialy omaly, dia hijanona ao amin’ny fifaninanam-pirenena Divizionina voalohany (D1) any Bulgarie ny kapitenin’ny Barean’i Madagasikara Abel Anicet Andrianantenaina.
Hamaky ny tohiny
17-sept-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.