22-sept-2021
Araka ny tatitra sy loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana, dia nanamafy ilay fisiana fifandonana teoamin’ny dahalo mitam-piadiana manodidinany 120 tamin’ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary 4,
Hamaky ny tohinyMba samy nisy lesoka avokoa ny mpitondra nifanesy teto amin’ny firenena, saingy mbola tsy nisy tratry ny resabe toa an’ireto ankehitriny ireto kosa angamba tao anatin’ny 60 taona.
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Niteraka resabe indray ny taratasim-panjakana nataon’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Patrick Rajoelina ny 18 septambra momba ny fiaraha-miory tamin’ny fahafatesan’ny Abdelaziz Bouteflika.
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Efa hatrany am-piandohana no nisy nametraka ahiahy sy nampitandrina amin’ny hanendrena an’I Andry Andriatongarivo eo amin’ny toerana stratejika sy saropady misy azy ankehitriny,
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Nivoaka ny valin’ny fifaninanana momba ny tetikasa sy fandraharahana ara-tsosialy POESAM 2021 na « Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient (POESAM) 2021, izay nokarakarain’ny Orinasa orange.
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Mandoa 100.000 ariary isam-bolana mandritry ny 15 taona100.000 hatramin’ny 120.000 ariary isam-bolana mandritry ny 15 taona ny vidin’ny trano eny amin’ireo tanàna vaovao,
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Tondroin’ny firaisamonim-pirenena CNPE (Coalition Nationale des Plaidoyer Environnementale) tarihin’Atoa Clovis Razafimalala ny endriky ny lisitr’ireo 66 afaka manao fanondranana lavanila navoakan’ny fanjakana ny alatsinainy
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Lazaina fa nisy lohamasinina 4 novidiana tany Espagne. Tamin’ny volana martsa 2020 no nambara fa ny fahazoana izany. “Masinina tsy ara-dalàna satria masinina efa nariana sy tsy miasa intsony tany Espagne.
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Anaty toekarena malalaka na “Economie libérale” i Madagasikara, hoy ny mpahaitoekarena, ny Pr Roger Ralison”, nanazava ny fahitany ny faninenana sasaka ny alalana momba ny fandraharahana lavanilina eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Ny alahady 3 oktobra izao no fotoana iarahana amin’I Tselonina sy Ifanihy ao amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina ao anatin’ilay fampisehoana mitondra ny lohanteny hoe
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Efa 61 no nitokona ny mpandraharan’ny oniversite na ny PAT ao Andrainjato Fianarantsoa, izay nanamafy izany ny herinandro lasa teo. Omaly 21 septambra,
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Natomboka ofisialy ny fiandohan’ny herinandro tao amin'ny valanjavaboahary Ivoloina - Kaomina Antetezambaro - Distrika Toamasina II, Faritra Atsinanana ity ady ara-tontolo iainana goavana ity,
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Manao fihaonan-dehibe any Moramanga nanomboka ny alatsinainy teo ireo rantsan’ny Skoto sy ny tily eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Ny zoma 24 septambra izao no fotoana miaraka amin’i Eric Manana ao amin’ny Landsberger Straße 163, 80687 ao Munich. Taorian’ny hetsika “Feo roa,
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Ao anatin’ny fametrahana ny tetikasa antsoina hoe Help Me See Madagascar izay hifarimbonan’ny fikambanambe Amerikanina Help Me See sy ny Poliklinika eny Ilafy ary ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Rediredy no tena betsaka ataon’ny fitondram-panjakana tarihin’I Andry Rajoelina, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany fahadimy,
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Handefa kabary efa voavoatra mialoha, fa tsy ho avy hanatrika ny fivoriam-be faha-76 eo anivon’ny Firenena Mikambana any Etazonia ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
Ho fanohanana ny tanora amin’ny fanatanjahantena dia notoloran’ny Kaominin’i Mahereza fanamiana na « maillots » miisa 150 sy baolina miisa 13 ireo tanora manerana ny Fokontany miisa 7
Hamaky ny tohiny
22-sept-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.