02-nov-2021
Tonga manatrika sy manome voninahitra ny fameloma-maso indray na “Redynamisation” ho an’ny Antoko TIM (Tiako I Madagasikara) ao amin’ny Faritra Toamasina sy ny manodidina ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy 30 oktobra lasa teo
Hamaky ny tohinyTafiditra tanteraka ao anatin’ny “rentrée politique” na fidirana ara-politika fiomanana amin’ny fifidianana amin’ny 2023 isika amin’izao fotoana izao,
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona voaolana eto amintsika. Ireo ankizy sy vehivavy no tena mahita faisana amin’izany.
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
“Rehefa manao stratejia ianareo, dia aza atao ao intsony Ratsirahonana, fa somary halaviro kely (Ecarter-vo kely), fa sosotra ny Filoha tamin’ilay izy nisabakabaka tany Ambositra, tamin’ilay hoe:
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Tsy eto Madagasikara irery no misondrotra ny vidim-piainana fa maneran-tany, hoy Roa Rinah Rakotomanga ny sabotsy lasa teo tamin’ny fandarahana manokana nandeha tamin’ny faitalavitra maromaro.
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Nampahafantarina ny sabotsy teo tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Antsalovana ireo mpiandraikitra voafidy hitantana ny Sendikan’ny mpitolona Kristianina eto Madagasikara na Sempikrima mandritry ny 5 taona manaraka.
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Nandefa ny raharaha any amin’ny fitsarana momba ny ady ara-barotra, “redressement judiciaire” ny Fanjakana Malagasy eo anatrehan’ny raharaha Air Madagascar, izay bokan-trosa hatrany amin’ny 72 tapitrisa dolara
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Nampahafantarina ny sabotsy teo teny amin’ny Espace Fihantana Ambatomitsangana ny fijoroan’ny fikambanambe izay tarihin’ny Apostoly Tsaratsara dia ny FIFAMADA
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Raikitra ny sahotaka teo Mahazo (RN2) omaly tolakandro, ary nitohy teny Ambohimahitsy ny takariva. Fiara tsy mataho-dàlana iray no nosavoritahan’ny olona satria niely ny resaka fa hoe:
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Mitohy ny fidinana ifotony Hataon'ireo solontena eo anivon’ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro ary ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanaraha-maso
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny kaominin’ambanivohitr’i Tanjombato ny toeram-pialamboly sy fikotranana mba ho fibeazan’ireo tanora eny an-toerana izay mirefy 250 m².
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Noraisina ny sabotsy 30 oktobra 2021 teo ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1200 izay nanamarinana ny fahalanian’ireo mpikambana vaovao ao ao amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana na CENI,
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
May kila forehitra omaly maraina ny sekoly ambaratonga fototra ao Ambalanikely Vatomandry. Tsy nisy azo noraisina intsony vokatr’izany ireo tabilio sy fitaovana rehetra tao anatiny.
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Sahirana ireo mpiaro ny fitondrana noho ny zava-misy. Ireo mety migoka tombotsoa sy matahotra ny ho very fihinanana sisa miady mafy.
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Anisan’ny asa iray tsy mitsahatra ny mahazo vahana ny asa fivarotana vy eto an-drenivohitra. Mamelona ankohonana maro izy io,
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Mpikambana roa teo anivon’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES)no voafidy ho “ Commissaires ”,
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Nosokafana tamin-pomba ofisialy ny 30 oktobra teo tany Mahajanga ilay hetsika ara-panatanjehantena Asief izay karakaraina isan-taona hanentanana ny mpiasam-panjakana rehetra.
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Tsy nihambahamba i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara (TIM) naneho ny sabotsy 30 oktobra teo tao Toamasina,
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Olana mbola tsy mety voavaha hatramin’izao ny resaka lisi-pifidianana.Izay fifidianana rehetra natao , Filohan’ny repoblika, solombavambahoaka,
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Ao anatin’ny fiarovana sy fanomezan-kasina ny vakoka sy lova ary harem-pirenena sy izao tontolo izao hatrany dia isan’ny iantsorohan’ny fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
Nitrangana vono olona feno habibiana tany amin’iny faritra Ankazondandy iny ny faran’ny herinandro teo.Tovolahy kely iray vao erotrerony no lasibatra tamin’izany.
Hamaky ny tohiny
02-nov-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.