03-nov-2021
Hita taratra ny tsy fahampian’ny tolo-tsaina sy toromarika amin’ny fitantanana firenena ankehitriny, hany ka toa mandeha an-jambany arakaraka ny zava-misy sy miseho ny fitantanan’ny Filoha Rajoelina ny firenena.
Hamaky ny tohinyMikorontana sy karazan’ny efa tafiditra ao anatin’ny ady an-trano I Ethiopie amin’izao fotoana izao. Voatery nandray fanapahan-kevitra ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Abiy Ahmed.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
“Ny fiarahamonina tsy miraharaha. Aleony mionona tsy miraharaha. Lasa fomba mahazatra ny tsy miraharaha. Isika Malagasy lasa tsy miraharaha.”,
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
Miditra tsikelikely amin’ny fanomanana fifidianana amin’ny 2023 isika. Samy miketrika ny politisianina sy ny Antoko politika samihafa. Mandeha ny fanomezana aina ny antoko sy ny kongresy samihafa.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
Tsy ho afaka ny hiatrika ny seho sy ny fifaninana “Robotex” any Tallinn Renivohitr’I Estonie ny 5-7 novambra ho izao ny ekipa robotika malagasy.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
Poa toa izay dia niparitaka vetivety tao anaty tambazotran-tserasera omaly ny sarina lehilahy iray nitazona soratra miangavy ireo filoham-pirenena Malagasy teo aloha,
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
“Raha ny tena marina dia betsaka no tsy voaloa vola eto, tsy tany amin’ny fanamboaran-dàlana vatsian’ny FR (Fonds Routier) ihany fa ny vatsian’ny Minisitera sy ny Fanjakana foibe aza”,
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
Nangataka fihaonana tamin’ny Minisitry ny asa vaventy ny solontenan’ireo orinasa misehatra amin’ny asa vaventy, nanamboatra làlana sy fotodrafitrasa samihafa, kanefa mbola tsy nahazo ny tambiny.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
Mpitsara miisa 5 no nakarina filankevi-pifehezan’ny Fitsarana ny zoma lasa teo, ka ny 4 tamin’ireo no nosaziana. Nisy moa ny fivoriamben’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara (CSM) ny 27-28-29 oktobra lasa teo.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
Tsy isan’ireo olona nankatoavina tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ny 30 oktobra teo ho mpikamban’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) Atoa Randrianarivonantoanina Fanomezantsoa Tiana,
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
Efa ela no nanairana ny sain’ny maro mikasika ity fitiavana maka sary fa tsy manana fahaterena hamonjy intsony ireo mpiara-monina aminy sendra tra-doza ity.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
“Botry iray avy any Ambanja nikasa hanondrana olona an-tsokosoko ho any amin’ny Nosy Mayotte no tratran’ny Tafika an-dranomasina teny amin’ny manodidina ny Nosy Iranja omaly 02 novambra.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny foiben’ny fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara etsy Ivandry ny dinika momba ny fomba hananganana ny birao
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
“Tsy misy hidiran'ny zandarimariam-pirenena ny resaka hafatra miafina tao anaty vondrom-pifandraisana iray atao hoe "Fb Com",
Hamaky ny tohiny
03-nov-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.