04-nov-2021
Mandeha ny tatitry ny fanadihadiana parlemantera mombana toe-javatra samihafa eto amin’ny firenena, ka an’isan’ny lohalaharana ny raharaha Ravinala Airports,
Hamaky ny tohinyManamarika ny fiainam-piarahamonina misy antsika ankehitriny ny fihinanana am-bolony matetika. Toa tsy manana fotoana hisainana sy handinihana intsony, fa zary maika hitsara sy handray fanapahan-kevitra.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Niparitaka nanomboka omaly taratasy miendrika antontan-kevitra voalaza fa famoaham-bola teo anivon’ny Jirama, ka isan’ny niaingan’io Atoa Mahery Lanto Manandafy na i “Malama”,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana saingy ninian’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nankatoavina ny « Governora ».
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Mihitsoka tanteraka ny fanondranana vato sarobidy amin’izao fotoana izao satria tsy mety manasonia ny mpiasan’ny Minisitera.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Manitsaka ny andro fahatelo ao Morondava anio ny Zaikabe Nasionaly tanterahan'ny Paramedy izay hifarana rahampitso zoma.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Lehilahy miisa 02, sy mpitandro filaminana am-perin’asa 01 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny DRSP Anosy ny 01 novambra lasa teo noho ny fitanana an-keriny sy fivarotana zaza varira.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Velon-taraina ireo mponina mianavaratr’Antananarivo, ny marimarina kokoa dia iny Andranovelona Ilafy sy ny manodidina azy iny manoloana ny fiantraikan’ny tsy fisian’ny rotsak’orana hatramin’izao.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Tsy finiavana hitsikera na sanatria fankahalana be fahatany, fa ankoatra ny tamin’ny tetezamita, dia tamin’ity Fanjakana faharoa entin-dRajoelina ity no be indrindra ny raharaha kolikoly sy afera maloto anaty Fanjakana.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Vavaka entina hisaorana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no hanokafana ny fitsanganan’ny Fondation Céline-Didier Ratsiraka etsy amin’ny Saint Michel Amparibe anio.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Mety tsy ho kandida ho filoham-pirenena intsony ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, raha ny loharanom-baovao iray tsy mbola ofisialy voaray omaly,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Nangotraka ny grevin’ny Mpiasan’ny SECREN (Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navale ) any Antsiranana ny talata teo.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana lasibatry ny haintrano goavana tany amin’ny Kaominina Ambanivohitr’I Tamponala ny Orange Solidarité Madagascar ho fanehoana fa orinasa tsy manadino,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Nomena fiofanana ireo mpitantana ny hopitaly eto amintsika. Etsy amin’ny INSPC Mahamasina, no hanatanterahana izany, hetsika hifarana ny Sabotsy 06 Novambra ho avy izao
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Manomana hetsika ho fitakiana ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny mpitondra taminy ny vahoaka voakasiky ny olana ara-tany amin’ny Minisiteran’ny fambolena ao etsy Nanisana Boriborintany faha-5.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Lehilahy miisa roa ka tera-tany vahiny ny iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny UIR Mahajanga ny 02 novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 10ora alina rehefa nahatrarana zava-mahadomelina.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Nanamafy ny antso avo amin’ny mba handoavan’ny Fanjakana ny tambin’ny asa fanamboaran-dàlana tao amin’ny ACMIL (Academie Militaire Antsirabe) ny Orinasa MIMOZA BTP Sarl omaly,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Niakatra fampanoavana omaly 03 novambra ny raharaha savorovoro teny Mahazo sy Ambohimahitsy ny alatsinainy 01 novambra lasa teo.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Tovolahy miisa 03 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny manodidina ny hotely Manga 67 ha, ny alakamisy 28 oktobra teo.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Taorian’ny firotsahan’ny orana tany an-toerana omaly tolakandro dia efa manahirana ireo fiarakodia, indrindra, ireo mpandeha tongotra sy mpampiasa iny lalana manjohy ny eo amin'ny "radier" Manakambola,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Nitokona teo an-tokontanin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka etsy Ambohidahy indray omaly ireo mpiasan’ny CTC Hopital Hotel miasa eto Antananarivo ary nanao fanambarana
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Nivory tao amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena etsy Tsimbazaza ireo solombavambahoaka lany tamin'ny antoko politika Tiako I Madagasikara omaly.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
Izaho sy Benny ihany no mpikamban’ny tarika Lolo sy ny tariny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy i Bebey, fa noho ity resaka krizy ara-pahasalamana tsy mety misava ity moa dia manahirana
Hamaky ny tohiny
04-nov-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.