08-nov-2021
Niverina nisokatra nanomboka tamin'ny 06 novambra ny sisin-tanin'i Madagasikara ho an'ireo sidina ara-barotra avy any Eoropa 20 volana taorian’ny fikatonana nanomboka ny 20 martsa 2020.
Hamaky ny tohinyEfa mitady ho lasa fahazarana izy ity. Mitohy ny fikatsoana. Izay no azo hamehezana azy. Tsy lavitra fa dia vao tamin’ny sabotsy teo fotsiny dia efa niaraha-nahita iny ny mbola fikatsoan’ny sidina nefa hoe niandoha ny fisokafan’ny sisintany.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Nisy ny fifandonana teo amin'ireo polisy monisipaly eto Antananarivo sy ireo mpivarotra hani-masaka manodidina ny zaridaina Ambohijatovo omaly alahady maraina.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Efa mivonona sahady amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC,
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Voafidin'ireo ligim-paritra rehetra manerana ny Nosy ho Filohan'ny Federasionina Malagasy amin’ny Kung-Fu Wisa ny Grand Maître Avoko ny zoma 17 septambra 2021.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Na niondrika teo anatrehan'i Burkina Faso mpampiantrano tamin’ny isa 13-10 isika Malagasy tamin’ny “partie de cadrage”, tafiditra tao anatin’ny fiadiana ny amboaran’I Afrika ho an’ny taranja tsipy kanetibe,
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Ny 11 hatramin’ny 16 novambra izao no ho tanterahana atsy Hurgada, Egypta, ny dingana famaranan’ny tompondakan’I Afrika eo amin’ny taranja haiady Boxe Thaï.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Isan’ny fatra-panakiana ny Fanjakana Rajaonarimampianina ny Mpitondra ankehitriny teo anatrehan’ny delegasionina efa ho an-jatony niatrika ny COP21 tamin’ny 2017.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Ny vary lafo, ny hena lafo, ny anana sy legioma lafo, ny saran’ny jirama midangana ary mbola arahana delestazy sy rano miloko hafahafa, ny hofan-trano lafo, ny saram-pianarana efa mampikaikaiky ray amandreny maro
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Lehilahy miisa efatra no fantatra hatreto fa efa voasambotra voarohirohy tao anatin’ilay raharaha vono olona tany amin’ny faritra Menabe ka nahitana lehilahy iray efa tsy nisy maso sy lela intsony tany anaty ala.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Mifandraika indrindra amin’ny fivoriana iraisam-pirenena andiany faha-26 mikasika ny toetr’andro na ny « COP26 » tanterahina any Glasgow ny 1-12 novambra, nisy ny atrik’asa nomena ny anarana « Super Codeurs,
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Tongasoa teto an-taindrazana omaly 07 novambra maraina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, rehefa avy nanatrika ny « COP 26 »
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
« Tendry sy kalo rotsirotsy », izay indray no lohateny nampitondrana ny fiarahana tamin’ireo mpanakanto havanana amin’ny vazo akostika nahitana an-dry Fara Gloum,
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Lehilahy miisa dimy no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo Antaninandro sy fahaefatra etsy isotry ny 06 novambra teo tokony ho tamin’ny 03ora tolakandro rehefa avy nanendaka.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Nanamafy ny fandraisana an-tànana ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra sokajy U20 sy U23 ny UNIFICASM (Union des Footballeurs Internationaux et Cadres Sportifs Malagasy),
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Henjana amin’ny fampalazana tena sy ny kisarisary ivelany ny mpitondra sy ny manampahefana Malagasy.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Voahosotra ho tompon-dakan'ny "Basket-ball" nandritra ny lalao famaranana omaly maraina ny ekipan'ny Jirama ho an’ny fifaninana ao anatin’ny ASIEF (Association Sportive Interminisiterielle pour l’Entretien des Fonctionnaires)
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Lehilahy lehibe 62 taona no tratra nanolana zaza 09 taona tany Bongolava ny 22 oktobra lasa teo. Taitra ny renim-pianakaviana iray rehefa nahare ny tarainan’ny zanany fa maharary azy ny fivaviany.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Andro maromaro izay dia tsikaritra ho nisy lehilahy iray tombanana ho afrikanina izay goavam-be mampidera hozatra eny an-dalana saika mitety toerana maro eto Antananarivo.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Manamafy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana fa tsy ampy ny tolotra manoloana ny tinady ara-bary
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Mpiasan’ny fahasalamana miisa roa izay "Anesthesiste" mivady izay miasa ao amin'ny CHRR Maevatanana no nisy nanafika ny alin’ny sabotsy 06 novambra teo tokony ho tamin'ny 08 ora rehefa hody hisakafo fa “garde” ny lehilahy.
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
Misy ny naoty navoakan’ny tale jeneraly misahana ny asa mikasika ny fanitarana ny fifidianana delegen’ny mpiasa, hoy ny fampahatsiahivana avy eo anivon’ny Randrana sendikaly-USAM-SVS omaly,
Hamaky ny tohiny
08-nov-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.