15-nov-2021
Niova ny sary politika! Nifamela ampahibemaso, nifandray tànana, ary naneho ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana Filoham-pirenena sy ny Depiote Roland Ratsiraka
Hamaky ny tohinyMaro ny zava-niseho nandritry ny herinandro lasa teo ary isan’ny nisongadina namarana izany ny teo amin’ny tontolo politika.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Hanao antsa fanairana ny mpandoro tanindrazana etsy amin’ny Ivokolo Analakely ny zoma 19 novambra izao ireo poeta mivondrona ao anatin’ny fikambanana Faribolana Sandratra.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Mpianatra iray ny zoma lasa teo no maty teo am-panaovana ny fanatanjahantena an-tsekoly EPS tany Mandritsara. Rakotoson Jean Luc no anarany, tovolahy vao 17 taona monja,
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Nisehoana toe-javatra mahamenatra indray tetsy amin’ny Kianjan’i Mahamasina omaly, taorian’ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny Tafa Stars Tanzanianina.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Nidina teny amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny sabotsy lasa teo ny Delegasiona avy eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan' nyMinisitra
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Nampiseho hery ny oniversiten’Antananarivo na ASUT ny sabotsy teo nandritry ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny taranja Rugby, sokajy vehivavy, divizionina faharoa.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Efa tena miharatsy ny fiainana. Ramatoabe 71 taona avy naka vola fisotroan-dronono no fantatra fa nisy namono tao an-tokantranony tao amin’ny Fokontany,Tanambao distrikan’Ambatondrazaka.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Nisaraka ady sahala 1-1 ny Barean’I Madagasikara sy ny Taifa Stars Tanzanianina omaly tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina,
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Tsy nitsitsy fitenenana i Marc Ravalomanana ny sabotsy 13 novambra naneho ny tsy fihetezana sy ny lesoka maro amin’ny fitantanana ny firenena, miaraka amin’ny kajikajy politika.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Misaona tanteraka ny tontolon’ny zavakanto ny faran’ny herinandro teo. Mpanankato roam antsy no indray nindaosin’ny fahafatesana.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Velom-bolo ireo mponin’Antsirabe sy Fianarantsoa rehefa nirotsaka ny orana tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Lehilahy miisa roa 33 sy 49 taona no saron’ ny Polisy miasa ao teny Avaradoha ny faran’ny herinandro teo nanosika poussette feno korontan'entana nampiahiahy. Nandritra ny.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Manomboka hafahafa indray ny toe-draharaha ara-pahasalamana eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny herinandro mahery nisokafan’ny sisin-tanin’i Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Nanomboka 1998 aho no nanao politika, nirotsaka depiote tao Toamasina, fa mbola tsy nahita aho hoe: nisy grevy toy izao na iza na iza no nitondra, taminao nitondra tsy nahita grevy toa io aho, hoy izy mantsy an’I Marc Ravalomanana, fa izao isan-kerinandro.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Lehilahy iray 22 taona voalaza fa mpanendaka no tratran’ny polisin’ny SAG Anosy niaraka tamin’ny antsy maraina omaly 14 novambra tokony ho tamin'ny 02 ora sy sasany tolakandro teny amin'ny CENAM 67 ha.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Maina ny tany. Izay no azo amehezana ny zava-misy miha mipaka manerana an’I Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Fahasimban’ny fiara, fitohanan’ny fifamoivoizana, fahatarana, loza…ireo no ateraky ny fahasimban’ny lalana, tahaka ny hita eny Andranonahoatra – Itaosy.Nivadika ho lavaka ny lalana eo amin’ny “4 chemins”
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Mpanendaka 04 mirahalahy no voasambotry ny polisy nanao fisafoana omaly tokony tamin'ny 07 ora sy sasany maraina teny amin'ny tetezan-dramala.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Rongony milanja 5 taonina sy 100 kg no tratra nodorana tao amin’ny distrikan’ Ambanja ny12 novambra lasa teo.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Araka ny serasera nataony tao amin’ny tambajotran-tseraserany omaly alahady, nitaraina ny Federasionina Tanzanianina momba ny baolina kitra fa tonga hatrany anaty hotely misy ireo mpilalao tanzaniana Taifa Stars
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Tanteraka tetsy amin’ny Hotely Carlton ny sabotsy 13 novambra teo ny famelabelarana narahina adihevitra notarihin’ny Vondrona Panorama, notarihin-dry Roland Ratsiraka, Rachidy Mohammed, izay nosalorana ny anarana :
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Revy rock lehibe ho famaranana ny faha 35 taona niakaran’izy ireo an-tsehatra no ho entin’ny tarika miisa 2
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Mpiraitampo iray kibo no nifampitory noho resaka nobo vono ombivavy tany Anjagnoveratra Antsampanamahazo distrikan’i Sambava, ny herinandro lasa teo.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Nigadona omaly 14 novambra maraina teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny vaksiny Janssen miisa 302.400 fatra avy amin'ny "Mécanisme AVAT"
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Nafana ny fiarahana tetsy amin’ny CC ESCA ny takarivan’ny zoma teo niaraka tamin’ny mpanakanto mpivoy Ba gasy, Eric Manana sy Feo gasy ary Bebey sy Benny.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Ny 19 novambra izao indray no fotoana iarahana amin’ny mpanakanto, Wada sy Yoongs, etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina manomboka amin’ny 8 ora sasany alina
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
Tandindon’ny toe-draharaha mety hiseho amin’ny taona 2023 izay hiatrehantsika ny fifidianana Filoham-pirenena ny zava-miseho ara-politika amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohiny
15-nov-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.