07-déc-2021
Raikitra ny filanjana sora-baventy omaly tao Imerintsiatosika nentin’ny vahoaka manohitra ny fakana ny tanin’izy ireo hanaovana ny tetikasa Tanamasoandro.
Hamaky ny tohinyMihanjahanja tsy misy mpiahy ny vahoaka madinika ankehitriny. Ny lehibe natao handrapaka ny kely, raha tarafina amin’ny ataon’ny orinasa karana sy ny Malagasy mahitahita amin’ny madinika.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Tamin'ny 25 novambra 2021 teo no nanomboka nihidy tao amin'ny Villa eto an-drenivohitra ireo solontena isaky ny Faritra 23 amin'ny fifaninanana Miss et Mister Madagascar 2021 ka isan'izany i Princia Rakoto,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Ora 5 sy sasany teo no lany namakiana ny fiampangana ireo voapanga tao anatin’ny raharaha Apollo 21 na ny fikasana hamono ny filoham-pirenena tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Miroborobo ny vente en ligne na asa fivarotana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook hatramin’ny fotoana nisian’ny fihibohana teto amintsika.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Notolorana fiara tsy mataho-dàlana raitra dia raitra miisa 8 ny Fitsarana Tampony. Notontosaina teny Anosy anosy omaly ny lanonana ofisialy nanolorana izany ho an’ity andrim-panjakana ity.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
“Vonjeo izahay mponina aty Andranolalike Kaominina Andalatanosy any Ambovombe Androy fa anjakazakan’ny solontenam-panjakana sy ny mpiray dina ny omby”, hoy ny antso vonjy.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Zazavavy kely iray vao 11 taona indray no fantatra fa naolan’ny vadin’ny anabavin-dRainy in-telo
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Niakatra fitsarana tetsy amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) 67 ha omaly 06 desambra i Mbola Rajaonah, mpandraharaha nanana ny maha izy azy,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Ny 42%-n’ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika no mbola miaina ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Miharihary ary tsy takona hafenina, fa efa mangala-dia manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny ekipany.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Mbola miantona hatreto ny asa fitrandrahana kraomita ao amin’ny kaominina ambanivohitra Breville, distrikan’i Tsaratanana, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny praiministra lehiben’ny governemanta.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Nivoaka ofisialy omaly alatsinainy 06 desambra 2021 ny firafitry ny Birao maharitry ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Tsy mbola misy Ben’ny tanana voafidim-bahoaka mitantana ny kaominina Faratsiho hatreto. Ben’ny tanàna mpisolo toerana no miezaka mampandeha ny raharaha ao an-toerana,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Mivalombalona ny volana sy ny taona, fa mbola tsy hita misongasonga kosa ny taratr’ireo tetikasa sasany nanaovana kisehoseho goavana teto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Saron'ny zandary avy ao Ambohidratrimo tao Antanjondroa kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, ny harivan'ny alahady 5 desambra 2021 ilay fiara voatafika sy nalain'ny jiolahy an-keriny teny Imerikasinina Avaradrano
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Misy tsy araka ny tokony ho izy ny asan’ny mpanatanteraka eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako I Madagasikara na TIM, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Ny 0,28%-n’ny mponina eto Madagasikara no fantatra fa tratry ny areti-mandoza SIDA. Miisa 8000 izy ireo ka ny 7400 no fantatra fa efa manaraka fitsaboana ara-dalana.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Mbola nisy ambiny ny vola nanamboarana ny lalana Rocade d’Iarivo novatsian’ny vondrona Eoropeana vola.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Etsy amin’ny Saint Michel Amparibe Jacaranda no fotoana miaraka amin’i Tovo J’Hay ny alahady 12 desambra izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Lehilahy miisa roa 23 taona sy 32 taona no tratran’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahafito teny an’elakelantranon’Ampasika ny 05 desambra lasa teo,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
Tanora lahy sy vavy 15 mianadahy mivondrona ao amin’ny “Joyce Service et Solution Informatique”
Hamaky ny tohiny
07-déc-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.