15-déc-2021
Ilay Kolonely Frantsay misotro ronono François Philippe sy ny Praiminisitra tamin’ny fotoan’andron’ny Amiraly Ratsiraka dia ny Jeneraly Victor Ramahatra
Hamaky ny tohinyAsa izay hiafaran’ny tontolo iainana eto amin’ny firenena amin’ity fandrorana mitsilany mitohy ataontsika olom-pirenena Malagasy sy ireo mpitondra antsika ity!
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Nisy fihenana hatrany amin’ny 25% ny fanafarana entana sy fampidiram-bola eo anivon’ny Fadintseranana Malagasy ny taona 2020 noho ny valanaretina coronavirus,
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Velon-taraina ireo mpiasa ECD (Employé de Courte Durée) sy ELD (Employé de Longue Durée) eo anivon’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa eran’I Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Iaraha-mahalala, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, fa ny fahapotehan’ny tontolo iainana ankehitriny no mampiovaova ny toetr’andro.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Tanteraka ihany ny fihaonan’i Marc Ravalomanana tamin’ny vahoakan’i Toliara, taorian’ny fanakanana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ny alahady 12 desambra teo.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Taorian’ny fifantenana ireo sangan’asa findraman-kira marobe ao anatin’ilay fifaninanan-kira Top Kanto izay karakarain’ny Top Radio 102.8 FM
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Mba mangataka tompon’andrikitra hijery manokana ny fifamoivoizana eo Ambodivona fa tena tafahoatra ny gaboraraka,
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Fantatra mihitsy izao, fa somary niakatra kely tamin’ny herinandro. Vao tamin’ny maraina no nifampiantso tamin’ny minisitry ny fahasaamana.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Niongotra tanteraka ireo fitaovana mamaritra ny haben'ny fiara tetsy amin'ny lalam-baovao Tsarasaotra mampitohy an'i Vahalava Anosivaratra,
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Nanomboka omaly ny kaongresy nasionalin’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra manerana ny nosy mandritry ny 3 andro etsy amin’ny Notre Dame du Cénacle Ambohipo.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Hiverina amin’ny laoniny sy ny nahazatra ny mpanjifa hatramin'izay ny vidin'ny entona fandrehitra fampiasa ao an-tokantranp na “gaz”
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Zanak'Antesaka manerana an'i Madagasikara tarihin’ny Filohany Atoa Randrianambinina Ephraïm eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa resabe iniana ahely etsy sy eroa,
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Manamafy ny antso amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy handray fepetra hanamorana ny fampodiana an’ireo mpiasa any amin’ireo firenena arabo ny Fikambanana Zanak’i Gasikara na AZIG.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny Velirano faha 5 nataon'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia ny fahasalamana ho an'ny rehetra tsy mifidy sokajin-taona,
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Misedra olana ankehitriny ireo mpamorona didin’akanjo na “styliste” Malagasy, raha ny fanazavan’ny tanora mpisehatra eo anivon’izany, Andrianina Rasolomampionona.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Mahazo vahana ny herisetra eny anivon'ny fiaraha-monina hatramin'ny nisian'ny valan'aretina coronavirus teto amintsika.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Tafakatra hatramin'ny 600 ariary ny rano iray bidon ao anatin'ireo fokontany 13 mandrafitra ny kaominina ivato vokatry ny tsy fisian-drano
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Tsy fahampiana torimaso, havizanana, fanaviana....dia mety hampahazo vahana ny valan'aretina covid 19 ao anatin'ny olona iray raha araka ny fanazan'ny dokotera fidy bariniaina.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Misy nidangana izay tsy izy ny hetran-trano eto Antananarivo, raha ny fitarainana voaray tamina renim-pianakaviana iray sy mponina eny amin’iny boriboritany faha 5.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Nitrangana halatra fiaram-panjakana ampiasain’ny “Service regional de domaine Menabe” omaly 14 desambra 2021 tokony tamin’ny 08 ora sy 30 minitra tao Morondava “centre”, Faritra Menabe.
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Ho an'ny faritra eto Antananarivo renivohitra kosa Dia miisa 1087 ireo Polisy hitandro ny filaminana. Idina ifotony eny amin'ireo Fiangonana isan-karazany izy ireo mandritran'ny fety ny 24 sy 25 desambra ho avy izao
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina omaly ny ambara fa fampandraisana anjara ny vahoaka ny fanombanana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ny tetikasa “Téléphérique”
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Tsy mitazam-potsiny ny vondrona sicam manoloana ny ady hatao amin'ny coronavirus eto amintsika. Nanolotra fanafody maro isan-karazany
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
Nivoaka ny alatsinainy 13 desambra teo ny didim-pitondrana faha-142/2021-MID-PREF.POL. avy amin’ny Prefektioran’ny Polisy Analamanga eo ambany fiadiadian’ny Minisiteran’ny Atitany,
Hamaky ny tohiny
15-déc-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.