20-déc-2021
Tafiakatra 16 ny namoy ny ainy, ary 1501 ny tranga vaovao ny 11 hatramin'ny 17 Desambra 2021. Fitiliana 8908 no nahitana ireo 1501 izay manome taham-pahavoazana 16,85%,
Hamaky ny tohinyRaha tsiahivina ny tantara dia nanolana ny anabaviny tao amin’ny efitrano fandriany sy namono nahafaty ny Renibeny ity tovolahy iray ity.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Miparitaka ary tsy voafehy ny trangana covid-19, ary mampametra-panontaniana hoe: mbola ny endriny mahazatra sa efa eto misy karazana “variants” eto?
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
“Ny zoma 17 desambra 2021, dia nipoitra tampoka niditra tanatin'ny lakan'ny mpanarato tany anivon'ny ranomasina, 6km miala ny morontsiraka Ampasivelogno, Kaominina Ambodibonara ,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Nahatsiaro manokana ireo ankizy kamboty sy sahirana ara-pivelomana ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny Polisy vavy miasa ao amin'ny "Brigade Féminine de Proximité".
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ny Rallye CT Motors notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny ekipazy Mika Rasoamaromaka sy Fabrice Rasata (Mika-Fafah).
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Nametraka ho zava-dehibe ny fifampiresahana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, hoy ny filohan’ny Kaonfederasionina sendikalin’ny Sempama,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Tafita tao anatin’ny ady mafy ! Io no mahafintina ny lalaon’ny AS Nancy Saint Lorraine ao anatin’ny Ligue 2 (L2) any France nanoloana ny Estac Troes izay izay ao anatin’ny Ligue 1 (L1) ny sabotsy.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Fiara mitondra ny laharana 9728 TAM izay ampiasain'ny Fitsarana no voalaza fa nandona olona teny amin'ny lalana By Pass ny alin'ny Sabotsy 18 desambra 2021.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Tsy mpifahavalo ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny sendika, hoy ny minisitr’ity sehatra ity, Marie Michelle Sahondrarimalala, ny sabotsy teo raha nanotrona ny atrikasa lehibe na “symposium”
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Ho fialana amin’ny tantara an-tsehatra mahazatra no namoronana ny teatra mitondra ny lohateny hoe “Ziglo” ny taona 2000 tany, hoy I Tsitohery Raoul,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Omby iray no nitrifana saika nitera-doza teny amin’iny By pass iny ny harivan’ny zoma teo. Tranga fahita matetika ny toa io, raha ny fampitam-baovaon’ireo mponina manodidina,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Lasan’i Edmine Minah, avy amin’ny foko vezo ny amboara tamin’ilay fifaninana Tsara tarehy Madagasikara nandraisan’ireo foko 18 eto Madagasikara anjara,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
« Nandray andraikitra avy hatrany ny eo anivon’ny Tafika an-tanety raha nahita ny fitarainana mikasika ny tovovavy iray izay lazaina fa nokasian’ny miaramila tanana.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Tsy tokony hisy intsony ny olana amin’ny vary eny an-tsena eo anatrehan’ny fanatobahana “vary tsinjo” sy “vary fety”, raha ny làlan-tsaina entin’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
Mitroatra I Be tsy miteny, hoy ny tononkirana mpanakanto iray izay nanafana hetsika tetsy Soarano ny faran’ny herinandro teo, ka manangona vary fa hoavy ny mosary sy haintany.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.