21-déc-2021
Sambokely na karazana lakana lehibe iray mitondra ny anarana MS Francia laharana laharana S/M 2102 niainga tany Tanambe Mananara Avaratra ho any Soanierana Ivongo no rendrika teo anelanelan'Antsiraka sy Andrangazaha
Hamaky ny tohinyAzon’i Ylias Akabaraly tompon’ny Redland, Groupe Sipromad, Thomson Broadcast ny amboara maha « CEO de l’année 2021»
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Mitohy ny adihevitra momba ny toe-draharaha fifanolananana ara-tany ao Nosy Be taorian’ny savorovoro ny faran’ny herinandro teo.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Raikitra ny fampiakarana saran-dàlana ho an’ny zotra nasionaly miainga etsy amin’ny Gara Maki Andohatapenaka ka 5000Ar hatramin’ny 20000Ar eo ho eo io.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Mirongatra ny gripa mahery amin’izao. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny CSB II iray eto an-drenivohitra dia mahatratra 20 isan’andro
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
“Voarain’ny Minisiteran’ny Fanajariana nyy tany sy ny fananan-tany (MATSF) tokoa ireo ahiahy sy fitarain’ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny Fiarahamonim-pirenena izay nanao fanambarana taorian'ny famoahana fampananan-kery ny Lalàna n° 2021-16,
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Lavo ny andrarezina ! Nodimadry ny marainan’ny omaly 20 desambra ny Minisitra teo aloha Jean Théodore RANJIVASON.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Nanomboka omaly alatsinainy 20 desambra 2021 ny fanaovana ny vaksiny Pfizer ho an’ny olona feno 18 taona noho miakatra izay tsy mbola nanao vaksiny miaro amin’ny Covid-19 eto Antananarivo Renivohitra na Tana Ville,
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Miezaka ny kaominina Alasora amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao mampifaly ireo mponina ao aminy.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Nametraka ny taratasy fampiakarana ny raharaha hangatahana fandravana didy teny amin’ny Fitsarana mpandrava didy na «Cours de cassation »
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Mbola tsy nanomboka hatreto ny fampandalovana anaty mason-tsivana na ilay antsoina hoe “criblage” ireo endrika na “variants” COVID 19 eto Madagasikara,
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Ny volana desambra tahaka izao, ho an’ny mpikarakara lanonana sy mpanakanto, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Vahaolana Anio sy Rahampitso,
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Mijaly amin’ny resaka efitranon-tsekoly ny CEG ao Soamanandrariny, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely. Raha mahatratra 600 isa isan-taona mantsy ireo ankizy afa-panadinana CEPE
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Fanamby napetraky ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny minisiteran’ny fitsarana ny hanafaingana ny raharaham-pitsarana sy ny fanenana ny isan’ireo voafonja izay tsy mbola voatsara.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Nampahafantatra ny ampamoaka nataona frantsay iray mahalala ny momba ny dosie mikasika ilay tetikasa fametrahana teleferika tao amin’ny tambazotran-tseraserany omaly ny minisitra sady masoivoho malagasy teo aloha, Paraina Auguste.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
Tsy finiavana hampihorohoro na hanao fandemen-tsaina, fa tena mampivarahontsana indray ny firongatry ny valanaretina coronavirus amin’izao fotoana izao, ankoatra ny loza mahatsiravina miseho isan’andro.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.