tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 02-févr-2022

Politique

Ralison Roger « Hiafara amin’ny hetsi-bahoaka izao zava-misy izao »

02-févr-2022

Nilaza ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana Atoa Ralison Roger , mpahay toekarena ary Loholona teo aloha. Ahiana hanafaingana ny fihetsehan’ny vahoaka ny zava-misy amin’izao fotoana,

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Fahazarana sarotra ialana

Na hitanisa faha zato faha arivo eo aza ny mpamakafaka karazany rehetra izay misy fa 7,3% teo ny harin-karena hatramin’ny taona 2008. Tafidina 0% izany tao anatin’ny tetezamita taorian’io.

Edito

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Hiditra an-tanety amin’ny sabotsy Tena mahery vaika ny rivodoza Batsirai

Tany amin’ny 1 157 km atsinanan’i Sainte Marie no nisy ny foiben’ilay rivodoza Batsirai omaly tamin’ny 03 ora tolak’andro. Niakatra ho 150 km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 210 km/h. Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka mahafaka 18 km/ora.

Actualités

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Sekoly tsy miankina Mangataka ny hanemorana ny datim-panadinana

Mafy ny mahazo ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana vokatry ny fahatapahana lava nateraky ny ora-mikija sy ny valan’aretina Covid 19.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Resaka fanafoanana ny CROUA Mangataka ny fitondram-panjakana hidina ifotony ireo mpiasa

Maro ny tsaho miely fa ho foanana ny sampan-draharaha misahana ny fonenan’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo na CROUA,

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Famahana ny olan’ny Jirama Efa tafiakatra 22MW ny vokatra ao Andekaleka

Isan’ny orinasam-panjakana misedra olana hatrany ny orinasa Jirama, ary tototry ny kiana mavaivay. Nisy ny fanovanam-pitantanana ny 13 oktobra 2021 ka nanesorana ny Tale Jeneraly,

Actualités

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Antananarivo Renivohitra Tsy ny kaominina fa ny minisitera no manamboatra ny lalana

Tsy maintsy mmila ny ministeran’ny asa vaventy sy ny fanjakana foibe ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra fa tsy vitan’ny kaominina irery intsony raha araka ny fanazavana voaray

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Fialan’ireo mpiasan’ny Tsaradia Mila mailo ireo mpiasa, hoy ny Randrana sendikaly

Ny 14 oktobra 2021 no nanao fangatahana na “requête” ny orinasa Tsaradia mikasika ny zava-misy teny anivon’ny tribonaly misahana varotra,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara Hanomboka hankalaza ny herinandron’ny fianakaviana

Nataon’ny Foibe FJKM sy ny Fiangonan’I Jesoa Kristy ho zava-dehibe manomboka amin’ity taona ity ny fisian’ny atao hoe “Herinandron’ny fianakaviana”,

Finoana

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Mahery Lanto Manandafy “Tsy izao fandrirarirana izao no hahafay ahy”

Fanamavoana ny rafitry ny zandarimariam-pirenena sy fitarihana ny olona hankahala azy tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra navoaka tao amin’ny facebbook no antony nitorian’ny zandarimariam-pirenena

Politique

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Toe-draharaha politika miha mamay Nahetsika hiaro ny fitondrana i Rossy

Omaly, nanadritra ny fizarana fanampiana ho an’ ireo mponina avy amin’ny fokontany miisa 33 ao amin’ny boriboritany faha 4 manoloana ny tranga nateraky ny toetr’andro farany teo sy ho fiomanana sahady manoloana ny

Politique

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Amborompotsy Talatamaty Mpianaka maty main’ny afo

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Fokontany Amborompotsy, kaominina Talatamaty herinandro lasa izay. Tokantrano iray izay misy fianakaviana 7 samihafa no nirehitra ka Ramatoa lehibe

Sosialy

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Gérard Ramamimampionona « Tsy fanaovana politika ny fanakorontanana »

Tsy fanaovana politika ny fanakorontanana hoy Gérard Ramamimampionona, tompon’andraikitra eo anivon’ny CFM na ny filankevitry ny Fampihavanana Malagasy raha naneho ny heviny mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena

Politique

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Antananarivo Lavalava ny lisitra ny lalana amboarina

Namoaka ny lisitr’ireo lalana hamboariarina eto Antananarivo renivohitra omaly ny avy eo anivon’ny governoran’Analamanga.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Don-tandroka sy fanenjehana Vao miha manaratsy endrika ny fitondrana

Tsy eto Madagasikara irery ihany no maharaka ny vaovao mitranga eto fa manerantany.Nahoraka tany ivelany ny momba ny raharaha Mahery Lanto Manandafy (MLM)

Politique

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Behoririka Nidoboka am-ponja ireo 4 mianadahy namono Sinoa

Lehilahy 03 sy vehivavy 01 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny BC 04 Anosy ny 25 janoary lasa teo noho ny famonoana tera-tany sinoa iray tetsy Behoririka.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Ampitatafika miatrika rivodoza Efa mandeha ny fanentanana ny mponina

Anisan’ny vaovao mitana ny sain’ny maro ny fisian’ilay rivo-doza voalaza fa mahery vaika antsoina hoe : Betsaika vinavinaina hiditra eto amintsika amin’ny faramparan’ity herinandro ity.

Actualités

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Card image cap
Vaksiny BCG sy Polio Niato roa volana mahery

Tandidonin-doza ny fahasalamanan’ny zaza malagasy vao teraka manerana an’i Madagasikara satria efa niato nandritry ny roa volana mahery tamin’ny taon-dasa ny vaksiny fanefitry ny “tuberculose”

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
02-févr-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus