tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 21-févr-2022

Politique

Andrakandrana no betsaka Governemanta 5 ao anatin’ny 3 taona…

21-févr-2022

Isan’ny tompondaka tamin’ny fanovana sy fikitihana governemanta ity Fanjakana tarihin-dRajoelina ity. Hiditra amin’ny andiany fahadimy tao anatin’ny 3 taona raha ho avy ny fikitihana na fanovana manaraka eo.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Samy manohy lalana saingy…

Tohizo ny lalantsika, hoy ny filamatra niendrika baiko nentin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, raha nanao fampielezan-kevitra hiomanany handraisana ny fahefana fanindroany ny taona 2007.

Edito

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Maromandia - Analalava Tratra ireo 11 mianadahy saika hiondrana tany Kaomoro

Nahazo vahana tato ho atao ny fivohana an-tsokosoko any ivelany indrindra amin’ireo nosy rahavavy tsy lavitra ny Madagasikara ny Kaomoro ataon’ireo teratany Malagasy izay tsy manana taratasy fahazoan-dalana mazava hivoka

Sosialy

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Governemanta miovaova Tsy misy fitoniana, tsy misy fampandrosoana

Samy miandry izay ho fanapahan-kevitra ara-politika mikasika ny governemanta ny mpanara-baovao ara-politika. Amin’ity herinandro ity, ny alarobia 23 febroary izao no hisy ny fanovana mpikambana ao anatin’ny governemanta,

Politique

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Fiainam-bahoaka Tena laharampamehana ny ady amin’ny asan-jiolahy

Nametrahana ireo jiro Cobra, izay manazava amin’alina ny eny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka.Ny ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo no tompon’antoka tamin’izany ary vita ny faran’ny herinandro teo ny asa.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Sarimihetsika Malagasy Olana goavana ny tsy fanana ofisy tena miahy azy

Niditra nandray anjara tamin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, ho an’ireo mpanakanto mpanao fanatanjahantena ary nanokatra ny lalao tetsy Ankatso ny sabotsy teo ireo vehivavy mpilalao sarimihetsika malagasy

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Toetry ny andro Mitombo hery hatrany ilay rivodoza Emnati

Tany amin’ny manodidina ny 657 km atsinanana somary avaratra-atsinanan’i Toamasina ny ny foiben’ny rivodoza Emnati omaly alahady 20 febroary tamin’ny 4ora tolalandro.

Actualités

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Fizarana fanampiana Vahaolana miteraka olana

Nanao taratasy miantefa amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mangataka amin’ny hampitomboana ny fanampiana ho an’ny vahoaka traboina ny ben’ny tanàna miisa 10 any amin’ny Departemantan’Ampasimanjeva

Sosialy

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Ambanja – Faritra Diana Miroborobo ny voly rongony

Malaza amin’ny famokarana rongony ny distrika Ambanja raha ny fanadihadina natao. Matetika rehefa mahatratra ny rongony sy izay olona vosaringotra amin’io raharaha ny polisy sy ny zandary dia voatonina hatrany i Ambanja.

Actualités

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Mponin’i Mandriambero Tsy hanaiky intsony ny hanotofana an’Andranotapahana

Tsy hanaiky intsony ny hanotofana ny farihin’Andranotapahana ireo mponina sy ny fikambanan’ny mpanarato ary ny mpanjono ao anatin’ny Fokontany Mandriambero, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Andrefanambohijanahary-Anosibe Tratra ireo mpanendaka telolahy tena nikoizana

Lehilahy miisa 3 no tratran’ny polisin’ny Boriborintany fahadimy ao Mahamasina nanendaka teny Andrefanambohijanahary sy Anosibe omaly Alahady tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Card image cap
Fanampiana tamin’ny “madco” sy kapsily Henjehin’ny Fanjakana ilay namoaka ny zava-nisy…

Nahazo fampiantsoana na “convocation” avy amin'ny Polisy i Andry Tafaray, ilay mpanakanto, izay namoaka sary sy horonan-tsary tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny fanampiana vary nafatra tamin'ny “madco” sy menaka nafatra tamin'ny kapsily tany Ikongo Fort Carnot.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
21-févr-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus