24-févr-2022
Fahamatorana ara-pitantanana tsy misy, fitoniana tsy mipetraka, fampandrosoana sadasada ny laharam-pahamehana, programam-panjakana misavoamboana sy tsymisy famatsiam-bola
Hamaky ny tohinyLozam-pifamoivoizana roa no indray niseho teto an-drenivohitra omaly alarobia 23 febroary. Tapaka hisatra ilay fiara fitateram-bahoaka zotra faha 183 rehefa nivoaka ny tionelina Ambohidahy omaly maraina tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany teo.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Namoaka fampahafantarana ho an’ireo mpila ravinahitra na Diaspora Malagasy ao France, Espagne, Saint Siège,, Israël, Monaco,
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Nanao antso avo mba hanokafana fanokafana tanteraka ny sisin-tany ny Vondron’ireo orinasa tsy miankina ahitana ny Kaonfederasionin’ny fizahantany, GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar), FIV. MPA. MA
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Nisy omaly ny Fihaonan’ny Filoha Andry sy Rtoa Idah Z. Pswarayi-Riddihough, Talen’ny Fandraharahana "Directrice des opérations"
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Ny vinan’ingahy Rajoelina ny hoe : “Initiative pour l’émergence de Madagascar” dia tsy inona akory fa “Initiative pour l’émergence des mafieux”,
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Iny efa navoakan’ny fitsarana momba ny kaonty na « cour des comptes » iny tatitra andiany voalohany mikasika tamin’ny fitantanana ny fanampiana ara-bola tamin’ny covid-19 ny taona 2020.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Tsy mbola tapitra hatreo ny raharaha momba ny fifamaliana teo amin’i Dadan’i Brayan na Depiote Andry Ratsivahiny sy ilay mpampianatra taranja ara-panatanjahantena (EPS) Ramose Njara na Randriamanendrika Anjarasoa.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Mbola fotoana mahamety tsara ny fanolorana fanomezana ho an’ny olon-tiana izao noho ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia tamin’ny 14 Febroary lasa teo.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Miha sahirana ihany ny firenentsika, hoy ny mpanao politika, Laza Razafiarison. Tsy haiko, hoy izy, raha mbola misy afaka milaza fa tsy sahirana.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Ao Andramiarana raha araka ny fantatra no hananganana ilay toerana fanodinana fako iraisana ho an’ny kaominina Ambohibao Antehiroka sy Talatamaty anisan’ireo kaominina 2 amin’ny 3 voafidin’ny Ministeran’ny tontolo iainana
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Sambava, Andapa, Vohemar, ary Antalaha no isan’ireo faritra efa nanganana ny Blcokchain Madagasikara izay sehatra hifaneraseran’ireo tanora Malagasy. Fifanomezan-tanana ireo tanora hiantsehatra amin’ny tohivakan-karena
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Nitondra fanazavana ny Jeneraly Tsaranazy Jean Emile omaly taorian’ny fandrodanana ny tranony etsy Ampasapito ny talata lasa teo.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Ankoatra ny maha-loza voajanahary azy dia mety ho fanairan’Andriamanitra ny olona mba hitodika sy hivavaka Aminy ihany koa ny fisian’ny rivo-doza mandalo
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Olona miisa 10 mahery indray no fantatra fa matin’ny Pesta aretin-tratra tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe, Faritra Bongolava andro vitsy lasa izay.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Manampy hatrany ireo fikambanana miahy zaza kamboty sy ireo fianakaviana sahirana amin’ny alalan’ny asa sosialy ny fikambanana Donnons Nous La Main, izay tarihan-dRamatoa Samirah.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Toy ny fitaovana rehetra eo am-pelantanan’olombelona ny fitaovan-tserasera, hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gerard Ramamimampionona.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
Sarotsaro-piterahana indray ny fikitihana na fanovana na famenoana ireo toerana banga ao anatin’ny governemanta. Omaly no re fa saika hanaovana izany, saingy toa miandry an’Ambatobevohoka ho teraka indray angamba e !
Hamaky ny tohiny
24-févr-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.