25-févr-2022
Ity Fanjakana ity no fanjakana nisehoana toe-javatra mamohehitra na “scandale” betsaka indrindra tao anatin’ny 62 taona.
Hamaky ny tohinyLoza izany nandalo teto amin’ny firenena tato anatin’ny 3 taona mahery izany ary isany heverina ireny rehetra ireny fa loharanon’ny tsy fahatomombanana rehetra misy eto amin’ity firenentsika ity hatramin’izao.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Isan’ireo lohahevitra dinihina ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Mpanolontsaina Monisipalin’ny Kaominina Antananarivo ny momba ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) mitantana ny Parking sy ny resaka dosie.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Ny zava-miseho iainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny dia miainga amin’ny tranga any amin’ireo mpitondra ihany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Manangasanga any ny vinan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina angatahana fankatoavan’ny Mpanolontsaina Monisipalin’ny tanàna mba handrodanana ireo trano rehetra tsy nahazo fahazoan-dàlana hanorina
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Mandeha araka ny efa nambarako ny zava-mitranga eto amin'ny firenena ankehitriny hoy ny Kohen Rivolala Filohan'ny Antoko politika CCDM raha naneho ny heviny momba ny fiainam-pirenena izy omaly.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Ny rano fisotro madio no mbola tena olan’ireo fokontany 2 amin’ny 8 mandrafitra ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano amin’izao raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rakotoarimanana Henintsoa,
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Hita ho miha mafy, hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny adihevitra mikasika ny efa fisiana kandida goavana fahatelo amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2023.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Miditra amin’ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa amin’ity taona 2022 ny Filankevitra monisipalin’ny tanànan’Antananarivo nanomboka omaly.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Mila jerena ny raikipohy hahazoan’ny firenena fiandrianam-pirenena marina, hoy ny mpitarika ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ao amin’ny faritr’i Diana, Joseph Yoland.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Mirongatra izay tsy izy ireo karazan’olona misora-tena ho mpaminany sy mpahay fahagagana miseho amin’ny endriny maro.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
20 febroary lasa teo tokony ho tamin'ny 9 ora maraina no voasambotra tao an-tsena fivarotana omby antsoina hoe Sabotsibe Befandriana-Avaratra, i Monja sy Mihandry, izay samy mipetraka ao amin’ny Fokontany Manongarivo,
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Mbola mahazo vahana tanteraka eto amintsika ny valan’aretina Covid 19 amin’izao. Miseho amin’ny endrika maro izy io, miankina amin’ny toe-batan’ilay olona toy ny sery sy ny gripa, ny kohoka,
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Fotoan-dehibe ho an’Ampitatafika ny andron’ny omaly Alakamisy 24 Febroary. Tonga nitsidika ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina mantsy Rtoa Amy Hyatt masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto amintsika
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Mifoha indray ny fitakian’ireo mpiasan’ny fahasalamana niasa tamin’ireo CTC-19 (Centre de Traitement Covid-19). Mpitsabo, mpitsabo mpanampy, mpitsabo misehatra amin’ny fitsaboana ny covid-19 noraisina ny aprily 2021
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Azo lazaina ho efa very fanantenana ireo mpampiasa ny lalana eny 67 ha, raha ny mikasika ny fanamboarana ity lalana isan’ny be mpampiasa indrindra eto Antananarivo ity no asian-teny.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Manatanteraka fivoriana tsy ara-potoana faharoa ireo mpanolotsain’ny tanàna Antananarivo izay atao amin’ity taona 2022 ity. Fivoriana izay haharitra telo andro.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
Manomboka maraina vao mangiran-dratsy ireo jiolahy manao ny asa ratsiny io ary mampiasa fanafody fampatoriana mihitsy izy ireo rehefa mamaky trano raha ny fanadiadina nataon'ny polisim-pirenena ao Mahajanga.
Hamaky ny tohiny
25-févr-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.