04-mars-2022
Kofona tanteraka ny Fitondram-panjakana Andry Rajoelina, ka zary lasa fizaram-bary sy fanampiana sisa no programa fototra sy asan’ny Filoham-pirenena. Miezaka mafy mitety faritra,
Hamaky ny tohinyToy ny isan’andro! Ny tarehimarika sy ny toerana fotsiny no miovaova sy miverimberina fa ny fehiny aloha hatreto dia ny eo ihany no eo.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Omaly alina, nanomboka tamin’ny 8 ora, ny orana amin’io mbola mikija dia mikija saingy tsy noraharahian’ireo mponina teny Antanimenakely Ambohimamory izany fa dia mbola nampivoaka azy ireo hanakan-dalana teny an’arabe ihany.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Naneho ny heviny momba ny toeran’i Madagasikara eo anatrehan’ny adihevitra iraisam-pirenena mikasika ny adin’i Russie sy Ukraine ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Florent Rakotoarisoa omaly.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Fanadiahadina natao teny anivon’ny fiaraha monina no nahafantarana fa vao 12 taona monja ny zazavavy sy zazalahy Malagasy dia efa miroso amin’ny sehatra ny fitiavana na manao sipa.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Hatramin’ny tsy naha teo amin’ny fitondrana azy dia nipetraka ho antoko politika mpanohitra hatrany ny antoko Tiako I Madagasikara, hoy ny filohan’ny Jeune TIM eto Analamanga, Heriniaina Razanadrakoto.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Fotoana fandoavana hofan-trano ny faha-efatra na fahadimin’ny volana hitsahina tahaka izao. Nanomboka tamin’ny faran’ny volana teo
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Manomboka miha mafy indray ankehitriny ny fahatapahan-jiro lavareny na delestazy. Ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo moa ombay mitady hatrany hanazava ny antony sy ny vahaolana efa omanin’ny fitondram-panjakana momba izany
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Miparitaka be eny an-tsena indray amin’izao ireny karazan’akanjo mitovy amin’ny fanamiana miaramila ireny na ny vert armée.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
“Raha mbola firenena sahirana toa antsika tsy mety ny “ni… ni...”. Tsotra ny antony, resaka “géopolitique” sy “géostrategique” io,
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana eto Madagasikara ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana, hoy ny filohan’ny fikambanan’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana manerana ny nosy, Hery Razafindrakoto.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Misokatra ny fifaninana hidirana ho mpianatra polisy ho an’ny taom-pianarana 2022. Mpianatra ho polisy miisa 1450 no horaisina izay mitsinjara toy izao.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Hisy ny vovonana hanara-maso ny tsenam-barom-panjakana rehetra, raha ny fampahafantaran’ny avy eo anivon’ny sampan-draharaha fitantanana ny hetra.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Feno 20 taona amin’ity taona 2022 ity ny naha-mpitsabo an’ny dokotera Seraphine Feziny Fernand, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Marie Stella etsy Analamahitsy.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Nampahatsiahy tamin’ny alalan’ny valan-dresaka miantefa amin’ny mpianatra, Ray aman-dReny ary indrindra ny mpanabe ny Minisitran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana (MESupReS)
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Voatery nafindra ao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra ny fankalazana nasionaly ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy izay hotanterahina amin’ny Talata 08 Martsa ho avy izao raha tokony hatao any Manakara,
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
“Momba ny fanovana governemanta na fitsipaham-pitokisana, na inona na inona dia governemantan’ny miaraka amin’i Rajoelina io,
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Manoloana ny trangana halatra moto sy ny fidarohana mpitondra moto amin’ny bois rond izay niseho tato ho ato teto Antananarivo Renivohitra dia nandray andraikitra manokana ny polisim-pirenena hiadiana amin’izany.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Mena avokoa ankehitriny ny tondro mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro raha ny tatitra andiany faha 6 voaray teo anivon’ny fivondronan’ireo manam-pahaizana iraisampirenena momba ny fivoaran’ny toetr’andro na GIEC.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Tolotra iray entina hanampiana ireo mpandraharaha eto amintsika efa manana orinasa ny Next login. Karazana toro-hevitra sy tohana entina hanampiana azy ireo izy ity hanatsarana bebe kokoa ny sehatra misy azy mba hisy
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Namoaka fampitam-baovao nanamafy ny tsy fiandaniana eo anatrehan’ny ady any Ukraine ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy omaly, saingy nahagaga fa nofafana.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
Zazalahikely iray havan’ilay Ramatoa izay taizan’izy mivady no nodarohan’ilay rangahy isaky ny mamo izy tao Antanamanjaka Antsirabe, Faritra Vakinankaratra.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
“Menatra sy latsa-nenina”, io no fehezanteny mahafaritra ny fihetsiky ny ankamaroan’ireo mpomba ny fitondrana amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohiny
04-mars-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.