tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 07-mars-2022

Actualités

Ny mpanao facebook migadra Ny afera amina miliara vitavita ho azy

07-mars-2022

Henjana ny fanenjehana sy fampiantsoana noho ny famoaham-baovao amin’ny tambazotran-tserasera tato ho ato ataon’ity Fanjakana Rajoelina ity.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Mifampiandriandry

Naha valalanina ny mpanara-baovao sy ireo mpamakafaka moa ny fihetsikana solombavambahoaka iray nanoloanana mpampianatra teny amin’ny lisea, ny volana febroary lasa iny.

Edito

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Difotry ny fahantrana ny Malagasy 10 000 Ar isan’andro no vola henjehin’ny ankizy mpangataka

Tena difotry ny fahasahiranana ny Malagasy. Lasa mandray anjara amin’ny famelomana ny tenany hatramin’ny ankizy ankehitriny noho ny hasarotan’ny fiainana.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Lalan-dratsy eto Antananarivo Miteraka fatiantoka ho an’ireo taxi be

Samy misedra olana avokoa ireo fiara fitateram-bahoaka rehetra eto an-drenivohitra na ny fiara karetsaka na ny taksibe vokatry ny lalana maro simba.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Marc Ravalomanana Mbola ho kandida ihany ve ?

Vao migadona ny taona 2023, dia efa taom-pifidianana. Mbola baraingo amin’ny rehetra ny sarisary ara-politika mety hipoitra ao anatin’izay.

Politique

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Vovonana « miaraka.com » Mpandraharaha maherin’ny 2000 no voafitaka

Maherin’ny 2000 isa ireo mpandraharaha Malagasy lasibatry ny vovonana namitaka azy ireo iray antsoina hoe miaraka.com, raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ireo resy lahatra ny hametraka fitoriana manoloana ny toe-draharaha,

Toekarena

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Fahasalamana Mahafaty ny fanintona saingy azo tsaboina tsara

Ny zaza fito volana eo no matetika no tratrin’ny aretina faninontona raha nambaran’ny mpitsabo . Fiakaran’ny maripana ambony no mahatonga ny zaza iray hifanintona izay tafakatra hatramin’ny 39̊C.

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Fanokafana ny sisin-tany Amin’i La Réunion ihany angaha ?

Ny sabotsy 05 martsa teo, fotoana voatoandro fa nisokafan’ny sisin-tany tamin’ny fomba ofisialy araka ny didim-panjakana noraisina tao amin’ny filankevitry ny minisitra ny 23 febroary vao nitondra fanazavana ny Fanjakana momba ireo pitsopitsony,

Actualités

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Jean Marc Koumba Miomana hanangana ny akademian’ny haiady

Miomana hanangana ny akademian’ny haiady na « Académie des Arts Martiaux » eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ilay mpikatroka Kick Boxing,

Sport

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Toetry ny andro Miala any indray ny rivodoza

Efa nandrivotra be ny teto Antananarivo nanomboka omaly hariva. Miha manakaiky hatrany an’i Madagasikara ilay andro ratsy miforona any amin’ny ranomasimbe Indianina.

Actualités

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Olan’ny tosi-dra Ny 70%-n’ny Malagasy no

Anisan’ny olana ara-pahasalamana iray tena mamely ny Malagasy ny tosi-dra amin’izao. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia ny 70%-n’ny Malagasy

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Ambohimahasoa Zaza 5 taona, hita faty tao ambany tetezana

Tsy mitsahatra mamono olona ny rano eto amintsika. Vao niandoha ity volana martsa ity dia zaza mianadahy no lasan’ny rano rehefa avy nirava nianatra ary namono ny ainy avokoa.

Actualités

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Lonilony sy ady an-trano Tandindonin-doza ny baolina kitra Malagasy

Hanao lalao fitsapana amin’ny Eperviers Ekipam-pirenen’i Togo ny Barean’i Madagasikara ny 26 martsa izao, hatao any Maraoka, ho fanomanana ny fifanintsanan’ny CAN 2023.

Sport

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Rano manodidina ny QMM Miakatra ny tahana uranium sy plomb

Mampanahy fatratra ny famatsiana rano fisotro ho an’ireo mponina manodidina ny orinasam-pitrandrahana QMM, raha ny fampanenoana lakolosy nataon’ireo fiarahamonim-pirenena nanadihady momba azy io toy ny CRAAD-OI, FARM, Payez Ce Que Vous Payez Madagascar, OSC-IE, SIF, Collectif TANY.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Sambo feno vary 19 andro tsy tafiditra an-tseranana 200 tapitrisa ariary isan’andro eo ny hofany fanampiny

Tafiditra soamantsara tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina androany 5 martsa 2022 rehefa nihantsona teo amoron-tsiraka (en rade) nanomboka ny 15 febroary lasa teo noho ny andro ratsy sy ny filaharana amin’ny fidiran’ireo

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Faritra Ihorombe Nihena ny tahan’ireo olona voan’ny tazomoka

Anisan’ny aretina iray mbola miteraka fahafatesana be indrindra eto amintsika ny aretina tazomoka.

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Antoko politika Natiora Handefa taratasy misokatra ho an’ny sehatra iraisam-pirenena

Handefa taratasy misokatra ho an’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ity anio ity, raha tsy misy ny fiovana, ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filoha nasionaliny, Mihari-Ni-Rencho.

Politique

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana “Voaoman’Andriamanitra hanavotra firenena aho”

Miarahaba antsika vahoaka Malagasy rehetra ny tenako, tiako ny manambara sy mitondra porofo amintsika anio fa firenena efa nomanin'Andriamanitra hahaleotena ity firenentsika ity fa ny mpitondra no minia mikipy tsy mahalala

Finoana

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Jeneraly Lylison – Filohan’ny FMKB ‘’Tsy ataontsika ho sakana ny vola”

Lany ho Filohan’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja Kick-Boxing (FMKB) ny Jeneraly Lylison de Roland, izay loholona am-perin’asa mitondra lokon’ny TGV-MAPAR amin’ny anaran’ny Faritra Sofia.

Sport

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Card image cap
Mananjary Marobe ireo olona tsy afaka mitsabo tena

Sahirana mafy ny ankamaroan’ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mananjary indrindra taorian’ny nandalovan’ny rivo-doza Batsirai sy Emnati tany an-toerana ka nampihanakabe ny fahantrana.

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
07-mars-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus