08-mars-2022
Ora vitsy taorian’ny nilazany tamin’ny fampahalalam-baovao fa fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 23 febroary 2022 ny tsy fahafahana mampiasa ny valizy misy kodiarana (valise à roulettes) satria ny 90%
Hamaky ny tohinyTanteraka tokoa ny zavatra tsy mbola vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona, saingy miseho amin’ny endriny miiba fa tsy miabo.
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Lasa laokan'ny mpanan-karena ny anana amin'izao fotoana raha ireo sahirana no tena nalaza ho mpihinana azy taloha.
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Andro maromaro izay no nisian’ny ampamoaka momba ny ahiahy amin’ny mety ho fisiana kolikoly goavana eo anivon’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS).
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Tena miharatsy ny fiainana. Mitombo isa hatrany ireo karazana vono olona feno habibiana. Ramatoa iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty izay efa tsy nisy nofo intsony tany amin'ny farihin'i Mantsabory Fagnilo,
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Zaza iray handeha hianatra omaly maraina no voadonan'ny fiara teny Andranomena. Raha araka ny fantatra dia teny amin'ny sisiny saika hiampita ity zaza ity no izao tra-doza izao ka voatery nalefa eny amin'ny hopitaly.
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Tamin’ny valo ora maraina dia efa nanomboka tsy nisokatra ny birao foibe ny CNaPS eny Ampefiloha omaly alatsiniainy 07 martsa 2020.
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Ny zava-misy izao ary tsy azontsika lavina dia mbola betsaka ny olona voan’ny Covid 19, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson.
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Adihevitra tato anatin’ny andro vitsy ny mikasika ny fepetra momba ny tsy fahafahana mitondra valizy misy kodiarana na « valise à roulettes »
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Nisy omaly ny fihaonan’ireo solontenan’ny mpikambana ao anatin’ny Vondron’ny orinasa afaka haba na ny GEFP tamin’ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MICC) Atoa Edgard
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Tao amin’ny tambazotran-tserasera no nilazan’ny depiote sady minisitra teo aloha Atoa Guy Rivo Randrianarisoa, fa efa roa taona izay no nangiana ka tsy niresaka momba ny politika eto amin'ny tanàna.
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava- mahadomelina Anosy ny 04 martsa lasa teo tokony tamin’ny 12 ora atoandro teny amin’ny faritra Ankaditoa/Antohomadinika ny tovolahy iray 26 taona rehefa nivarotra héroine.
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Miharihary ankehitriny ny tsy fifankahazoana eo anivon’ireo manampahefana ambony mba tsy ilazana hoe ny governemanta Malagasy mihitsy .
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Nosantarina tamin'ny fambolen-kazo natao tao Antsirabe ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy izay marihina anio talata 08 martsa.
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Somary niakatra ny filoha Hajo Andrianainarivelo satria somary hafahafa fihetsika ny antoko politika TGV, hoy ny mpikambana eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM,
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Misy valanjavaboary any amin’ny tandavan’ala atsinanan’i Madagasikara ankehitriny iandraiketan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana na UNESCO,
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Vory lanona teny Faravohitra afak’omaly alahady 06 martsa ireo mpiangaly ny baolina lavalava avy amin’ny boriboritany 6 avy eto Antananarivo,
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
‘Tsy afaka mampiditra mpanao gazety izahay raha ny baiko azo avy any ambony ’ izay no voalazan’ireo polisy mpiandry ny varavarana hidirana ao amin’ny biraon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka eny Anosy omaly
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
Tany amin’ny manodidina ny 196 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Cap Masoala no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny ranomasimbe Indiana omaly tamin’ny 4ora tolakandro,
Hamaky ny tohiny
08-mars-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.