05-avril-2022
Naneho ny heriny sy ny tanjany tamin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka ny depiote voafidy tany Ikongo sady Filoha Lefitry ny antenimieram-pirenena Brunelle Razafitsiandraofa.
Hamaky ny tohinyTsy misy fampianarana mihoatra ny zava-misy iainana ankehitriny insony angamba eo amin’ny resaka fitantanana firenena.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Feno 40 andro katroka omaly alatsinainy ny fanafihana ataon’i Russie any Ukraine. 1417 ireo sivily efa namoy ny ainy, ka ankizy ny 121 amin’ireo, araka ny tatitry ny Birao misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Trano 24 tafo no indray may kilan’ny afo tao Mandrangobato Anosibe ny alin’ny alahady teo. Tokantrano miisa 29 no lasibatra tamin’izany ahitana olona mihoatra ny 100.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Tsy afaka miala amin'ny fandrosoan'ny teknolojia isika eto Madagasikara ary indrindra amin'ny fampiasana ny aterineto.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Marobe ny malagasy ankehitriny no zatra mihinana hani-masaka eny amin’ireo mpivarotra amoron-dalana. Noho ny rotorom-piainana sy ny hamoran’ireny sakafo ireny amin’ny ankapobeny no mahatonga izany.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Niditra tamin’ny fitokonana, ka nanakan-dàlana ny mpandraharaha PAT (Personnel Administratif et Technique) eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Tsy mety voafehy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny fikasana hanondranana harena an-kibon’ny tany .Vatosoa milanja 55 Taonina eo ho eo no saron’ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany (Police des Mines) teto an-drenivohitra,
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Nataon’ny kaominina fanatobiana fako vonjimaika ny etsy amin’ny Fokontany Anosipatrana Andrefana manamorona ny digy .
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Nisitraka fanampiana ara-pitaovam-pamokarana sy famatsiana biby fiompy (omby, ondry) ahafahan’izy ireo mampivelatra sy mampiroborobo ny sehatra fiompiana izay efa niveloman’izy ireo teo aloha ny vondrom-pamokarana
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Navoakan’ny fampalalam-baovao vahiny ny faran’ny herinandro lasa teo ny fifamatorana ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy Rosia, izay voalaza fa nosoniavina ny 18 janoary 2022,
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Mandeha ny feo eny anivon’ ny fiaraha-monina fa arakaraky ny mahabetsaka ny fiangonana miorina etsy sy eroa eto amintsika no vao mainka mampilentika ny firenena sy mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Nivoaka tamin’ny fahanginany ka nanao fanambarana hentitra ny FIZAMAMI (FIkambanan’ny ZAnaka MAhajanga MIray)
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Taorian’ny fihaonana sy ny dinika nifanaovan’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra tarihin’Atoa Edgard Razafindravahy tamin’ny mpamongady omaly maraina,
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Araka ny tatitra, noraisin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Sekretera Jeneraly teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika,
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Asiana jiro hanazava ny tanàna avokoa manerana ny Nosy manomboka izao hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Namoaka ny fomba fiijeriny mikasika ny raharaham-pirenena ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olom=pirenena, izay nitsinjara tamina teboka maromaro.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Tsy nanadino ireo Ray aman-dReny nahitana masoandro ny fikambanana Porte Bonheur tahirin-dRazaka Mireille, vadin’ny Ben’ny tananan’Alasora.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Efa tena maro ireo taxi be eto Antananarivo sy ny manodidina no iverina amin’ny fanaovana taingim-be indray.Tsy 4 intsony ny amin’ny seza fa lasa 5 milahatra, i
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Lohalaharana amin’izany ny fametrahana jiro hazava ny tanàna.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Raha ny tatitry ny gazety boky mivoaka isan-kerinandro eo anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola dia nisy mpiasam-panjakana matoatoa 330 indray no tra-tehaka.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
Nolazaina fa fahavalom-pirenena hatrany izay sahy manakiana sy mitsikera ny zavatra tsy mety ataon’ny Fanjakana. Nandeha ny vava be hoe: izahay aloha izao no mitondra fa mahandrasa fifidianana manginy fotsiny.
Hamaky ny tohiny
05-avril-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.