06-avril-2022
Misamboaravoara ny toe-draharaha politika ao anatin’ny Fitondrana sy ireo heverina fa mpiara-dia amin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Hamaky ny tohinyToa tapi-dalan-kaleha tahaka ny sokina nanani-bato ny Fanjakana anketriny, tototry ny olana sy ny fahasahiranana. Tsy manana vahaolana firy, fa ny eo tsy miravona ary ny hafa miforona ihany koa.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Niakatra hatrany amin’ny 40% ny vidin’ny Uranium, izay akora fototra ilaina amin’ny famokarana angovo nokleary, fiakarana midangana indrindra taorian’ny faharavana nateraky ny loza tao Fukushima izay nisy fiantraikany tamin’ny vidiny.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Mbola tsy foana ny valan’aretina Coronavirus raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina. Mbola mamono olona an’arivony isan’andro mantsy izany any Eoropa.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Nangotraka indray ny grevy teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nisy ireo andiana mpianatra nitarika ny fitokonana noho ny fisian’ny namany mbola tsy nahazo vatsim-pianarana.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Nitohy tamin’ny grevy faobe nitaky ny karamany sy ny tombotsoany ireo mpandraharahan’ny Oniversiten’Antananarivo na ny PAT (personnel administratif et technique).
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Nilatsaka ny didy famerana ny vidin’entana tena ilaina sy be mpampiasa hihatra ao anatin’ny 3 volana, azo havaozina.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Naneho hevitra momba ny famerana ny vidin’entana ilaina andavanandro (PPN) ny Praiminisitra lefitra teo aloha tamin’ny Fitondrana Ravalomanana ary efa Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny tetezamita.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Lohalaharana amin’izany ny fametrahana jiro hazava ny tanàna.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Tsy misy toerana izay tsy ahitana fako mivangongo eto Antananarivo renivohitra amin’izao. Ho any eny Andravoahangy eny dia saroman’ireo mpivarotra taratasy sy sachet plastika
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Namoaka fanehoan-kevitra misy teboka miisa 3 ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana teo aloha Atoa Jean Eric Rakotoarisoa omaly, tao amin’ny tambazotran-tseraserany.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Vita sonia omaly 05 aprily tao amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Anosy ny Tetikasa « PERFORM», mifototra amin’ny fanomezana fampiofanana eny amin’ny Liseam-panjakana.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Namaly ny kiana sy ny tsikera samihafa momba ny toe-draharaha ara-diplaomasia manoloana ilay fifanarahana ara-pitaovam-piadiana amin’ny Rosianina ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Richard Randriamandranto omaly.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Vehivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no no tratra ngalatra finday tamina botika iray tetsy 67ha (akaikin’ny Mada Hotel) omaly.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Raha nisy antoko nanana ny tanjany ara-potokevitra sy olona dia iray amin’ireo antoko tranainy nametraka tantara teto amin’ny Nosy ny antoko Andry sy Rihana Enti-manavotra an’I Madagasikara na AREMA.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly ny taom-pianarana,ho an’ny fampiofanana fototra (Formation initiale) andiany faha-29,
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Lehilahy iray no nosamborin’ny Polisy miasa ao Ilanivato omaly 05 aprily teny Anosipatrana tokony ho tamin’ny 01 ora maraina rehefa avy namaky trano.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Mpiasan’ny fahasalamana iray izay fantatra fa lehiben’ny mpiasa ao amin’ny BSD Manandriana, DRSP Amoron’i Mania no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny Alahady alina hifoha Alatsinainy teo. T
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Mihalalina ny fahasahiranan’ny Malagasy. Ankoatra ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izay tsy lazaina intsony dia tena mafy ihany koa ny mahazo ny rehetra amin’ny hafitsoky ny taxibe.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Mirongatra indray ny vaky fasana any Bemasoandro Ambatonapoaka, kaominina Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo, lalam-pirenena voalohany.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fanolanana vehivavy any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra no saron’ny mpitandro ny filaminana tao Antanatemoro, Fokontany Tampolo afak’omaly alatsinainy 04 Aprily.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Hiainga eny ifotony ny asa fampandrosoana hotanterahina eo anivon’ny kaominina Ambohibao Atsimo, distrikan’i Manjakandriana manomboka izao.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
Lasa sokajiana ho fahavalon’ilay antoko volomboasary ny depiote iray lany tamin’ny antokony rehefa nanambara ampahibemaso ny tsy mety.
Hamaky ny tohiny
06-avril-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.