10-mai-2022
Sesilany ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena mikasika an’i Madagasikara. Taorian’ny Vondrona Eoropeanina izay naneho, fa mila antoka ara-pandraharahana na “climat des affaires” tony sy milamina i Madagasikara,
Hamaky ny tohinyEfa misosa ho azy toy ny rano mandeha ny vava tsy ambina ataon’ny Fanjakana ankehitriny. Tsy mba manana fanetren-tena, fa arakaraka ny efa tsy fahombiazana no vao mainka mampidingin-drambo ka asa na tena tsy mahay
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Ilaina ankehitriny, hoy ny manam-pahaizana momba ny fizahantany, Durlin Retogniane, ny manarina ny fizahantany anatiny satria vao afaka krizy isika dia sarotra ny hanome tolotra avy hatrany ireo mpizahatany avy any ivelany
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny sampana anglisy eny amin’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso, Irène Rabenoro,
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Ankizy 13 taona no zandriny indrindra amin’ireo mandray zava-mahadomelina mahery vaika toy ny heroine eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Miisa 8 ireo olona marary tratry ny valan’aretina Covid 19 tsaboina etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka amin’izao.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Mandritry ny 2 andro dia ny 12 sy 13 mey izao no hanamarihana ny faha 50 taonan’ny nisian’ny hetsiky ny 13 mey 1972 eny amin’ny oniversiten’Antananarivo amin’ity taona ity.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Lehilahy miisa 08 no voasambotry ny sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina teto an-drenivohitra ny zoma 06 mey lasa teo rehefa nivarotra rongony sy héroïne.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Hotanterahina tsy ho ela ny andro maneran-tany ho an’ny tanora na ny JMJ Mada andiany fahafolo ho an’ireo mpino Katolika eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Maro ireo mpampiasa fiara no tsy mahalala izay antony hisakanan’ny mpitandro filaminana azy eny an-dalana ka mety handraisana fepetra hatramin’ny fampidirana ny fiara ho any am-balam-pamonjana na « Mise en fourrière ».
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Tsy miankina amin’ny krizy ao Okrainina ny fiainantsika eto Madagasikara, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fiombonana.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Manomboka mahoraka ankehitriny fa misy olom-baovao hipoitra tampoka indray eto rehefa tena ho raikitra ny fifidianana ny fifidianana filoham-pirenena.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Niharan'ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny 1 km hidirana ny tanàna misy azy ny Talen'ny EPP ao Ankileisoke Anakafy.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Tsy tokony hiandrasana ny hafa hibaiko na koa hiandry fanentanana ny tsirairay vao hahay hanadio ny faritra misy azy.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Tsy tokony hiandrasana ny hafa hibaiko na koa hiandry fanentanana ny tsirairay vao hahay hanadio ny faritra misy azy.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Mitombo isa hatrany ireo tanora tsy an’asa eto amintsika. Ankoatra ireo nahavita fianarana nefa tsy mahita asa mifandraika amin’ny lalam-piofanana nianarany dia misy ihany koa ireo niangaran’ny vintana ka tsy afaka nandia ny
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Naneho hevitra momba ny fanajana ny zon’ny olom-pirenena ny Praiminisitra lefitra teo aloha Atoa Zaza Manitranja Ramandimbiarison.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Niharan-doza ny mpanankato Wendy Cathalina sy ny ekipany rehefa avy nanatanteraka fampisehoana tao Moramanga Bezanozano Hôtel ny Sabotsy 07 mey lasa teo nandritra ny fifantenana ireo vehivavy tsara tarehy
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Fotoana fihetsehan’ny aretin’ny vanin-taolana izao. Anisan’ireny ny romatisma izay fantatra fa 5 taona no zandriny indrindra voany.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisy teny Andranomanalina sy Tsimbazaza ny 05 sy 06 mey lasa teo rehefa nangalatra tao anaty fiara tetsy Andranomena ny 04 mey.
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
Na ianareo aza ve tsy efa madilo-sofina amin’ny menomenona sy fitarainan’ny olona isam-pokontany eny e.Fa inona moa izao no zavatra mba mandea amin’izay laonina sy mety tsara eto ?
Hamaky ny tohiny
10-mai-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.