11-mai-2022
Maro no manomboka velom-panontaniana ankehitriny : fa inona marina no tena mahazo azy ao an-dapa ao ? Misy mampijabaka sa inona no tena antony mahatonga ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny matetika mandray
Hamaky ny tohinyfitondram-panjakana to any hoe fitandroana ny filaminana, fametrahana fandriampahalemana sy fiarovana ny sisin-tany.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Mikatona ny fomba fijery. Mikatona ny fomba fiasa. Mikatona ny fomba fanaovana serasera. Mikatona ihany koa ireo sehatra henoina ary tsy mahagaga raha toa ka mikatona manaraka izany rehetra izany amin’izao fotoana izao ny lalana mankany amin’ny tena fampandrosoana.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana any Antanambaovao distrikan'Andilamena. Ramatoa iray no maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana ny faran’ny herinandro teo tany an-toerana.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Bealanana omaly folakandro. Fiara lehibe iray no nianjera tany anaty hantsana ‚ teo amin’ny fiakarana ( dilana ) hiazo an’i Marolambo ‚
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Miandry ireo soso-kevitra avy amin’ny Malagasy mba hahafahana manarina haingana ny toekarena ny Banky iraisam-pirenena, izay eo anilan’i Madagasikara hatrany amin’ny resaka asa fampandrosoana.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Ho fanomezam-boninahitra ny filohan’izy ireo no sady ho fampahafantarana ny fisian’ny hetsika makotrokotroka hanamarihana ny jobily volamenan’ny tolon’ny 13 mey 1972 ihany koa dia nampahafantarina tetsy amin’ny
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Maro ireo mpitsabo velon-taraina amin’izao. Mitombo isa hatrany mantsy ireo marary mila fitsaboana manao tonga trosa. Hafa mihitsy ny zava-nitranga tamin’ny 3 taona lasa hoy ny mpitsabo iray.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Tokony hiara-kiasa ny sehatra tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana amin’ny fijerena ny firongatra marina na tsia ny COVID 19 indray, hoy ny mpitantana ny klinika Saint Thomas Faravohitra, Dr Marius Ramaroson.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Mandritry ny 3 andro dia ny 10 hatramin’ny 12 mey izao no hanatontosana etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny Tsiaro ny faha 50 taonan’ny tolona 1972. “Tanora mahatsangy, manoratra tantara…”,
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Nisafidy ny hanohana sy hisehatra amin’ny filatroana sy famokarana fitafy malagasy ny mpilalao sarimihetsika Andrianina Ravel.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Tsy hanaiky atao fitaovana politika intsony ny mpiasam-panjakana ambony, hoy ny fanambaran’ny federasionin’ny sendikan’ireo mpiasam-panjakana ambony na “Federation des Syndicats des Grands corps de l'Etat” tetsy amin’ny Le Pave Antaninarenina omaly.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Tongotra mby an-dakana ho an’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fampiakarana saran-dalana.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Mitombo isa hatrany ireo tanora tsy an’asa eto amintsika. Ankoatra ireo nahavita fianarana nefa tsy mahita asa mifandraika amin’ny lalam-piofanana nianarany dia misy ihany koa ireo niangaran’ny vintana ka tsy afaka nandia ny
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Mihabetsaka ireo vahoaka sahirana eto amintsika. Tsy vitsy ireo tsy mahaloa hofantrano intsony, antony mampitombo isa ireo 4’mis tsy manan-kialofana mipetraka amin’ny trano sachet plastika eny rehetra eny.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Nivoaka omaly talata 10 mey rehefa naiditra am-ponja ny 10 martsa lasa teo Jeannot Randriamanana. Raha tsiahivina dia ity lehilahy iray no namoaka fanehoan-kevitra tamin’ny tambazotran-tserasera facebook mikasika ilay
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Tsy miankina amin’ny krizy ao Okrainina ny fiainantsika eto Madagasikara, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fiombonana.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Natomboka omaly 10 mey ny asa fanamboarana sy ny fanavaozana ny tetezan’Antsampazana sy ny tetezan’i Mangoro eo amin’ny lalam-pirenena faha 2.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Tsara kokoa raha mitovy ny herijikan’ireo kandida filoham-pirenena eto amintsika ka izany no antony nandrafetana ny tolo-dalàna entina hamerana ny vola ampiasan’ny kandida tsirairay avy manddritra ny Propagandy.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Ilaina ankehitriny, hoy ny manam-pahaizana momba ny fizahantany, Durlin Retogniane, ny manarina ny fizahantany anatiny satria vao afaka krizy isika dia sarotra ny hanome tolotra avy hatrany ireo mpizahatany avy any ivelany fa
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Moto miisa 4 tamin'ny 5 tao anatin'ny herinandron'ny 2 hatramin'ny 8 mey no nahafatesana olona hoy ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana na “Brigade des Accidents”.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Efa tafiditra ao anatin’ny olona marefo ny zokiolona. Raha vantany vao mihoatra ny 60 taona izy ireny dia efa tokony hisy fanaraha-maso manokana indrindra raha vantany vao mivoaka ny trano.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Efa tafiditra ao anatin’ny olona marefo ny zokiolona. Raha vantany vao mihoatra ny 60 taona izy ireny dia efa tokony hisy fanaraha-maso manokana indrindra raha vantany vao mivoaka ny trano.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Nihena tsy toy ny mahazatra isan-taona ihany koa ny vokatra vary safiotra na “riz hybride” ho an’ity taona 2022 ity.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Nisy afomanga nipoapoaka fatratra tao amin’ny kaominina Alasora ny sabotsy 07 mey alina lasa teo. Tao amin’ny efitrano fandraisan-danonana Hahitantsoa no nitrangan’izany izay niteraka fahatairana sy tebiteby ho an'ny mponina
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Tena azo hanina tokoa ny lalana satria miantoka fampandrosoana ao anatin’ny faritra iray misy azy. Miroso amin’izany ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
Folo taona lasa izay, nitantara Itompokolahy Jean-Pierre Domenichini, nahafantatra izany Ingahandriana Ramiarinjatovo izany.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.